Samy mahafantatra ny fahantrana sy ny aretin’ny firenena Malagasy ary samy manana ny vahaolana ny kandida 5 nandray anjara tamin’ity fivoriambe ho an’ny toekarena ity.
Samy milaza fa mila kitihina daholo ny sehatra fampandrosoana ara-toekarena mba hampanankarena an’i Madagasikara. Izay kandida milaza sy misora-tena fa hahavita hampandroso ny sehatra rehetra no tsy izy satria tsy lojika ary tsy azo atao izany. Tsy maintsy misy, hoy ity mpahay sady mpampianatra toekarena ity ny vaindohan-draharaha sy ny laharam-pahamehana amin’ny fitondrana ny firenena ao anatin’ny fotoana fohy. Araka izany dia tsy maintsy mahay mifidy tsara ny kandida manana vina amin’ny fampandrosoana haingana kanefa mitombina tsara ary tsy mangala-tahaka ny vahoaka Malagasy. Tsy azo ihodivirana ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly ary indrindra ny fitantanana mangarahara ny volam-panjakana izay gaboraraka nanomboka tamin’ny fotoanan’ny tetezamita.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.