Tsy maintsy midina ny vidin-tsolika, hoy ny nambaran’ny filoham-pirenena nandritra ny famehezana ny 100 andro nitondrany ny firenena.
Hatramin’izao anefa dia mikaikaika hatrany ny mpanjifa eto Madagasikara fa toa ela loatra. Sa tena efa nandamoka ny fifampiresahan’ny fanjakana amin’ireo kaompania mpaninjara solika maka tombony be ireo ? Tsiahivina fa ambany ny vidy hiaingana (prix de référence) satria raha ny lasantsy sy ny solitany fandrehitra ary ny gazoala dia manodidina ny 2000 Ariary eo daholo farafahabetsany ny litatra. Tsy tonga 1000 Ariary isaky ny litatra akory ny saran’ny fitaterana sy ny fitahirizana ary ny fitsinjarana. Ankoatra ny hetra sy ny haba alain’ny fanjakana dia mampiakatra ny saran’ny solika ny tombombarotra midangana be alain’ireo kaompania tsy misy fifaninanana ireo. Azo hahitsy ihany anefa izany ary tena tokony hidina aza, araka fanazavan’ny mpahay sady mpampianatra toekarena ny Profesora Hery Ramiarison ho fisinjovana ny tombontsoan’ny Malagasy. Tsy mitombina ny fanazavana ataon’ireo tompon’andraikitra milaza fa tsy mbola tokony ho izao ny saran’ny vidin-tsolika ary tena lavitry ny tena izy (verité de prix). Ampihimamba no ataon’ireo mpaninjara solika ireo, hoy izy ary tsy misy mihitsy ny fifaninanana satria mitovy daholo ny vidy amarotana. Nisy mihitsy ny fanadihadiana sy ny kajikajy nataon’ireo mpahay toekarena maromaro ka hita taratra tamin’izany ny tsy fahamarinan’ny resaka “verité de prix”. Zavatra roa ihany no mampiakatra ny vidin-tsolika dia ny fiovaovan’ny sandam-bola Ariary sy ny vidin’ny barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Sao misy endrika fifanarahana hafahafa atao amin’ny governemanta mampaela ny fampidinana ny vidin-tsolika ? Tokony hovakiana fotsiny ny ampihimamba ataon’ireo mpaninjara aloha ary tokony hipetraka tsara aorian’izay ny fifaninanana dia midina ny vidin-tsolika. Mila jerena akaiky ihany koa ny fanarahana maso atao amin’ny fanafarana, ny fanatobiana sy ny fitahirizana, eny hatramin’ny fitsinjarana aza. Ny zava-misy koa aloha dia tsy mihena mihitsy hatreto ny fanjifan’ny orinasa tsy miankina sy ny JIRAMA, izay tena mpanjifa goavana, ny solika araka ny fanambarana nataon’ny tompon’andraikitra iray teny amina tombin-dasantsy. Izany no mampirehareha ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures) izay milaza fa tsy hampihena ny fanjifana mihitsy ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Izany rehetra izany no hiandrasana ny fahaiza-manaon’ny fitondram-panjakana .
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.