Sokajiana ho antoko lehibe ny Antoko Tiako i Madagasikara, izay io aloha hatreto no antoko manana rafitra isaky ny faritany, faritra, kaominina, distrika, fokontany,...
ary hita teo amin’ny sehatra politika foana nandritra ny 18 taona (2001 – 2019). Nandray anjara hatrany tamin’ny fifidianana rehetra ary manana ny olony amin’ny rafitra rehetra misy eto. Vao miresaka hoe TIM dia i Marc Ravalomanana ihany koa izay, efa ben’ny tanànan’Antananarivo nandritra ny roa taona (1999-2001) ary filohan’ny Repoblika nandritra ny fito taona (2002-2009). Manana ny toerany amin’ny tantaram-pirenena sy ny raharaham-pirenena, eny hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena aza. Hany filoha nampidirina am-ponja teto, avy eo mbola nahavita namelona ny antokony sy nifaninana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena (2018) ary tafiditra laharana faharoa, araka ny vokatra navoakan’ny HCC. Manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena i Marc Ravalomanana, manana ny fandaharanasany ary manana vahaolana hanafahana an’i Madagasikara eo ambany ziogan’ny fahantrana,… Nisy ny resadresaka manokana nifanaovana taminy niresahana bebe kokoa ny tontolo politika, indrindra ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka sy ny tontolon’ny toekarena eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.
POLITIKA
Tia Tanindrazana(TT) : Miarahaba anao Atoa filoha. Nandrotsaka kandida 109 hofidiana solombavambahoaka ianareo ary mikendry hahazo ny toeran’ny maro an’isa eny amin’ny Antenimiera. Ahoana ny fomba na ny mason-tsivana nisafidianana azy ireo ?
Marc Ravalomanana (MR): Olona manaraka tsara ny toromarika izay omena sy ankasitrahan’ny olona eny ifotony na ny “base”. Tsy misy iray tamin’ireo hoe izaho no nanindry azy fa niainga tany amin’ny vahoaka niaviany ireo. Voalohany dia tena olona avy any amin’ny toerana nisy azy avy, mahalala tsara ny zavatra misy any. Mahay tsara, mety tsy ho fantany ny fampandrosoana fa izahay no miara-manatanteraka azy. Rehefa vita izay dia hoentiny ilay tena ilain’ny vahoaka any amin’ny distrika misy azy. Alefa amin’izay ny fanofanana hoe ny politikantsika manomboka izao dia tsy toy ny taloha, fa misy fitsipiky ny antoko sy misy etika. Ny tombontsoan’ny vahoaka aloha fa ny eto Madagasikara tsy izay fa ny tombontsoan’ny tenany aloha, ka izay no mahatonga ny tsy miankina be dia be misisika. Matoa izy lany dia ny herim-pony sy ny volany manontolo no mety natontony tao daholo nampahalany azy, dia lojika raha efa tonga dia tsy maintsy mamerina izany aloha. Mitady amin’izay ny firehan-kevitra mety aminy : TIM sa TGV,…
TT : Misy ny karazana fizarazarana tamin’ireo olon’ny TIM raha ny fahitan’ny olona azy. Hailika tsy ho TIM ve noho ny fitsipika anatin’ny antoko ireny ? Inona no mampiavaka ny kandida TIM ?
MR : Tsara ho fantatry ny olona fa tsy mizarazara fa ireo tsy manaraka ny fitsipika anatin’ny antoko no mba mety manana hambo-po hoe tian’ny olona na mety mahavita azy aho, dia lasa izy mandeha. Tsy misy manaraka azy fa izy irery no manao an’ilay izy.
TT : Samy mahay miresaka rehefa mialoha sy mandritra ny propagandy ireo kandida. Fa inona kosa no mampiavaka anareo ? Inona no toky omen’ny TIM K25 ny Malagasy mpifidy ?
MR : Nisy ny fanatsarana goavana be ao anatin’ny antoko, ka tena hatsangana mihitsy ny fampahafantarana ny olona ny hevitry ny atao hoe : politika. Hevitra avy aty amiko niaraka tamin’ireo olona manan-kevitra be dia be ary iny no havadika lasa asa hiaraha-miasa hanasoavana ny vahoaka, ka izay ilay hoe : “soa iombonana”. Ny hevitry ny politika anefa amin’izao eto, dia izay fomba hahazoana toerana sy manindritsindry ny hafa sy mahazo vola. Ny tena izy anefa, ny mpitarika politika, dia manan-kevitra mitarika ny olona sy ny mpiara-dia any amin’ny soa iombonana, fa tsy tombontsoa manokana. Izay ilay “Rodoben’ny mpanangana”. Manaiky izay fanapahan-kevitra hifampidinihana, araka ny filan’ny faritra sy ny distrika tsirairay io, ka ny zava-dehibe dia ny soa iombonana aloha no laharam-pahamehana.
TT : Mandeha ny feo fa te hanangana ivontoerana hampianarana sy hanofanana momba ny fanaovana politika ianao, mitombina ve io ?
MR : Efa tafatsangana ny ivontoerana ara-politika, ary izay no nihaonako tamin’ny Vondrona Eoropeanina, ny Amerikanina,… mba handefa ireo olona efa misotro ronono hampanao fanofanana eto Madagasikara. Ny Alema izao, ohatra, dia efa handefa olona afaka hampanao fanofanana momba ny politika eto Madagasikara. Marina fa tena ilaina ny politisianina eto amintsika fa ilaina sy ampahafantarina ihany koa ny tokony hifandraisan’ny eto Madagasikara sy ny an-dry zareo any ivelany. Toy ny any Bruxelles dia azo atao ny miantso an-dry Louis Michel na koa ry Bernie Sanders avy any Etazonia hizara ny traikefany.
TOEKARENA
TT : Nisy ny fanambarana nataonao momba ny antsojay samihafa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana toy ny tsy hahafahanao mampiasa ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny sakantsakana amin’ny famokaran’ny TIKO. Efa milamina sy ny nivaha ve ny olana ?
MR: Tsy mbola nilamina mihitsy. Izay no niresahako tamin’ireo masoivoho nilazako ny zava-misy. Aza mieritreritra mihitsy isika eto Madagasikara fa handeha ny ekonomia eto raha tsy homena sehatra hahafahany miasa malalaka ny mpandraharaha, ka ao anatin’izany ny TIKO. Raha misy ny zavatra tsy mety na misy tokony hifampiresahana dia aleo mifampidinika. Efa in-telo aho izao no nangataka fihaonana tamin’ny filoha Rajoelina. Afaka mifampiresaka ny samy Malagasy ary samy efa nitondra teto na izaho na izy, dia miresaka aloha ary tsy olona amiko mihitsy ny miresaka. Nanome toky ahy mihitsy izy ny hifampiresaka aorian’ny fianianana. Vita izany ary niandry aho hatramin’izao.
TT : Nilaza ny fanjakana ankehitriny fa hampidina ny vidin-tsolika ary toa manao tsindry amin’ireo mpandraharahan’ny solika. Ny hevitrao momba io ? Mety hiarina ve ny fanjakana ?
MR : Tena “businessman” aho miteny aminareo ary mahalala tsara izany fandraharahana izany. “Negociation is business” izany hoe: ny fahaizana mifampiraharaha ihany! Ny mpandraharaha ny solika milaza hoe : ianareo ve hamono anay sa ahoana fa amin’izao fotoana mampiakatra ny vidin-tsolika izao ianareo no miteny aminay hoe: ahemory! Efa tara loatra izany ilay fitenenana. Marina ihany koa anefa ny an’ny fitondram-panjakana hoe: lafo loatra tsy zakan’ny vahoaka Malagasy ny fisondrotan’ilay izy. Ny zava-misy ihany koa anefa, dia ireto mpandraharaha ny solika ireto tsy saika manana fifanarahana maharitra (à long terme). Raha ohatra mantsy manao fifanarahana lehibe amina kaompania any an-dafy any mandritra ny 2 taona na 5 taona dia faritana ny vidiny tsy mihetsika eo. Izany izao no ataon-dry zareo atsy Afrika Atsimo, ka na miakatra io na midina io dia tsy miovaova ny vidiny ao anatin’ilay firenena. Raha izao no miady hevitra amin’ireo resiny. Tena lafo be amin’ny vahoaka Malagasy anefa io, ary io no mampisondrotra ny vidin’entana entana eto satria miankina amin’io daholo na ny saran-dalana, fitaomana entana,… ary ny tena loza dia ity fahapotehan’ny lalana ity.
TT : Fa tamin’ny fotoana nitondranao ny firenena tahaka ny ahoana ny nifehezana azy io ?
MR: Tsotra fotsiny : nasiana ny fifanarahana tamin’ny mpandraharaha ka 2 taona, ohatra, tsy mihetsika na miaka-midina mihitsy ny vidin-tsolika. Teo ihany koa ny tahiry ho an’ny fikojakojana ny lalana na ny “FER”, izay tsy maintsy averina hanamboarana ny lalana. Izao ny lalana eto tena mampiteny ny moana,… Be dia be ny zavatra tsy maintsy hatsaraina eto, ka izay no ilazako hoe aleo miresaka. Afaka miresaka amin’ny vahiny mpamatsy vola,… ka nahoana no tsy afaka hifampiresaka eto.
TT : Inona ary izany ny zavatra maika sy fomba fiasa tokony hapetraka ?
MR : Isika eto Madagasikara, dia tsy ilay mpanohitra na ilay mpitondra no mahatonga ny firenena tsy handroso. Tokony hieritreritra foana ny mpitondra fa ireo mpanohitra ireo dia ao anatin’ny olona entina. Tokony hohenoina ny mpanohitra, ary izay no fampanjakana ny demokrasia aloha. Zavatra tsotra dia milamina io, ary izay no ilana ny fifampiresahana na ny “dialogue”. Tena laharam-pahamehana voalohany indrindra eto Madagasikara ny fampihavanana na io “dialogue” io. Ireny izao afaka manao “dialogue politique” amin’ny Vondrona Eoropeanina, ka nahoana no tsy afaka mifampiresaka amin’ny mpandraharaha Malagasy na amin’ny mpanao politika ? Tsy azo atao ilay samy miziriziry amin’ny heviny. Tsy miandry fotoana ny fifampiresahana fa mieritreritra aho hoe sao dia kosa tahotra ny an’ny mpitondra na mety tsy voafehy ny zavatra miseho ?
Nandrindra sy nanatontosa: Toky Rafalimanana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.