Ny tsy fisiana asa sy ny famoronana asa no olana eto amin’ny firenena, hoy ny sekretera jeneralin’ny FIraisan’ny SEndikan’ny Mpiasan’i Madagasikara (FISEMA),
Atoa José Andrianasolo nandritra ny kongresy faha-10 tetsy amin’ny rovan’ny Tovovavy Antanimena. Tsara ny nampiakarana ny karama farafahaambaniny na ny SMIG ho 200 000 Ariary, hoy izy saingy atahorana hatrany ny fisondrotam-bidim-piainana. Lesoky ny politikam-papandrosoana hatramizay ny tsy fanaovana ezaka amin’ny fampiakarana ny asa miforona kanefa 5 hetsy isan-taona ny tanora tonga amin’ny sehatry ny asa. Zara anefa raha misy 5 alina no voaray miasa ary karama sy asa tsy araka ny tokony ho izy izany ka miteraka fihenan’ny risipo izay manaratsy ny famokarana sy ny toekarena ankapobeny mihitsy. Hijery ny paikady rehetra hanorenena ho avy mamirapiratra ny tanjon’ny fivoriana izay nandraisan’ireo sendika 125 avy amin’ny faritra 12 anjara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.