Dossier

Politika ankapoben`ny fanjakana Tokony hampafantarina amin`ny vahoaka eny ifotony


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Araka ny andininy faha-99 amin`ny lalàmpanorenana dia iray volana farafahatarany aorian`ny fanendrena ny praiminisitra dia tsy maintsy mitondra ny “Programme de mise en oeuvre” (PMO) eo anivon`ny politika ankapoben`ny fanjakana (PGE)

 

 eo amin`ny parlemanta ny governemanta. Tsikaritra fa teboka telo no nitondran`ny praiminisitra Ntsay Christian izany dia ny fanjakana tsara tantana, ny fametrahana ny filaminam-bahoaka ary ny sosialiam-bahoaka. Teboka stratejika telo nitondran`ny praiminisitra ny PMO. Nisy avokoa ny pitsopitsony ary hita fa isaky ny minisitera sy distrika no nitondrana izany. Andrasana ny PEM (Plan Emergence Madagascar). Tokony homena an`ireo tompon’andraikitra maro samihafa ny programanasa ary tokony hampafahantarina an`ireo mpiasam-panjakana, ireo olom-boafidy eny anivon`ny fari-pifidianana rehetra (solombavambahoaka, loholona, ben`ny tanàna…) Antony dia rafitra demokratika i Madagasikara ka tsy maintsy mangarahara ny fitantanana raharaham-panjakana ary hampafantarina amin`ny rehetra ny fomba hitantanana ny raharaham-panjakana. Ny fanjakana rahateo dia tokony hanatona ifotony ny vahoaka entiny. Tsy tokony hisy intsony ny fitondrana an-jambany ny vahoaka fa tokony hanana ny fahefana hiteny hahalala ny zava-misy sy haneho hevitra izy. Tsara raha omena lanjany ihany koa ny fokonolona satria ny tatitra rehetra  dia tokony hoentina eny amin`ny rafi-pokonolona isam-paritra izay mahalala tsara ny tebitebiny sy ny filany.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT