Dossier

Plan Emergence Madagascar Hampiasaina mandritra ny 5 taona


  • Alarobia 29 Mey 2019

Nisy ny atrikasa fifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola omaly teny amin’ny Carlton Anosy izay haharitra 2 andro.

 

 

Tanjona ny hametrahana paikady vaovao mifanaraka amin’ny filan’ny firenena izay entina hampandrosoana an’i Madagasikara. Napetraka, araka izany, ny Plan Emergence Madagascar (PEM) izay famadihana ny vinan’ny filoham-pirenena ho asa mivaingana. Nofantarina sy nitadiavana vahaolana amin’ity atrikasa ity ireo sakana tsy nampandroso ny firenena hatramin’izay. Ity PEM ity no nanoloana ny Drafitra Nasionaly ho an’ny Fampandrosoana (PND) ary ampiasaina mandritra ny 5 taona. Zavatra maro no mbola mila dinihina mialoha ny tena handrafetana ity drafitra vaovao ity. Nanambara ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Richard Randriamandranto fa tsy ho sarotra ny fanatanterahana io PEM io ary havoaka amin’ny volana jona.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT