Depiote Randriamahefa Henri Charles
Tsara ilay fanolorana ny PGE nataon’ny praiminisitra Ntsay Christian teo, hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles voafidy tany Moramanga, fa tokony hataony izay hahitana vola hanatanterahana ny fifidianana.
Mila fandriampahalemana tanteraka anefa ny fanatanterahana an’izany ka tokony hapetraka any amin’ny Faritra rehetra manerana ny nosy ny DAS hampandry fahalemana ny tany ary hampiasaina koa ny angindimby hanenjehana an’ireo dahalo fositry ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.
Depiote Andrianjanahary Fanomezantsoa
Tsy misy afa-po amin’io govenemanta tarihan’ny PM Ntsay Christian io ny rehetra fa noho ny didy avoakan’ny HCC tsy azo hivalozana dia nekena ihany ny govenemantan’ny marimaritra iraisana fa mila fitoniana isika. Amiko dia voahaja ny voalazan’ny lalàmpanorenana ny amin’ny tsy maintsy hanoloran’ny praiminisitra ny PGE aorian’ny 30 andro nanendrena azy eo amin’ny toerany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.