Dossier

PFNOSCM VOIFIRAISANA « Ajanony ny tsindry amin`ny firaisamonim-pirenena »


  • Talata 18 Febroary 2020

Mitaky ny famotsorana an`i Thomas Razafindremaka (TR) ny vondron`ny firaisamonim-pirenena PFNOSCM VOIFIRAISANA.

 

 

 Raha tsiahivina dia nosamborin`ny zandary tao Ihosy, faritra Ihorombe, i TR, mpiaro ny zon`olombelona, ny alahady 16 febroary lasa teo, raha niaro ireo tantsaha mandinika noho ny fanararaotam-pahefana nataon`ny tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana. Raha ny loharanom-baovao vorain`ny PFNOSCM dia voalaza fa “fakam-bola sy fisolokiana” no niampangana azy. Raha ny fantatra, ilay vehivavy nitory azy dia olona akaiky ny mpampanoa lalàna any an-toerana. Araka ny fanambarana hatrany dia voalaza fa tezitra tamin`i TR ilay mpampanoa lalàna noho ny ampamoaka nataon’ity mpiaro ny zon`olombelona tao amin`ny tribonaly any Ihosy ka nahatonga ny DPI (Direction de la Promotion de l’Intégrité) eo anivon`ny minisiteran`ny ftsarana hanokatra fanadihadiana ny volana janoary lasa teo. Milaza moa ny mpanara-dia an`i TR fa zavatra noforonina ity tranga ity satria nanana fahasahiana niaro ireo madinika manoloana ny herisetra sy kolikoly sedrain`izy ireo, hoy hatrany ny fanambarana. Noho izany, hiray feo ireo firaisamonim-pirenena. Ny HCDH (Haut-Commissariat des Droit de l’ Homme) dia hanolotra mpisolovava hiaro an`i TR. Ny CINDH dia hampandre ireo tompon’andraikitra hijery akaiky ity raharaha ity.  Ny PFNOSCM/VOIFIRAISANA dia hitondra ny raharaha eo anivon`ny iraisam-pirenena satria voahitsakitsaka ny fiaroavana ny zon`olombelona. Miantso ny fahendren`ny fitsarana moa ireo firaisamonim-pirenena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT