Dossier

Paositra Malagasy Miomana amin`ny fandraisana ny UPAP eto Madagasikara


  • Sabotsy 14 Aprily 2018

Notontosaina tany Alger renivohatr’i Alzeria ny 10 hatramin`ny 12 aprily lasa teo ny fivoriana faha 37 n’ny filan-kevitry ny fitantanan’ny fikambanan’ny firenena Afrikana momban’ny paositra na ``UPAP``.

 

Nanatrika izany fivoriana izany ny delegasiôna notarihin'ny Tale Jeneralin’ny Paositra Malagasy, Atoa Rakotomalala Augustin. Nisy ny dinika sy fihaonana tamin'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny UPAP sy UPU (Union Postale Universelle) ary ireo firenena samihafa mba ho fanamafisana ny fiaraha-miasa, indrindra ao anatin'izao fanomanana ny fandraisana ny fihaonamben'ny Ministra misahana ny paositra andiany fahadimy eto Afrika izao izay ho tanterahina eto Antananarivo ny 26 sy 27 jolay ho avy izao. Marihana fa nandritra ny fivoriana faha 36 n’ny filan-kevitry ny fitantanan’ny UPAP tany Nairobi - Kenya tamin’ny volana mey 2017 mantsy no nahavoafidy an’i Madagasikara handray ity fikaonan-doha ity. Firenena 43 no ho avy ary hahatratra hatrany amin’ny 300 ireo delegasionina handinika ny fanjifana eo anivon’ny paositra Malagasy. Hantenaina hitondra vahaolana maharitra amin`ireo olana sedrain`ny Paositra Malagasy izany fihaonana izany indrindra ny tontolo nomerika izay tokony hotratrariny haingana hanomezana fahafampo ho an’ny mpanjifa sy hampandrosoana ny ara-toekarena.

 


 

Marigny A.

               

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT