Tamin’ny 1997, orinasam-panjakana miisa 46 no tsy maintsy ho tantanan`ny tsy miankina ka isan’izany BTM, SOLIMA, SIRAMA…
Nisy ny dinika nifanaovana tamin’ireo mpamatsy vola izay tena nametraka tamin’izany fa tsy maintsy manatanteraka izany rafitra izany ny orinasam-panjakana satria tsy anjaran’ny fanjakana no mitantana izany “sociétés commerciales” na orinasa ara-barotra izany fa mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka no tokony imasohany, izany hoe manamboatra fotodrafitr’asa toa ny Hopitaly, tetezana, sekoly, lalana, sns… Ka izany no anisan’ny mandany volam-panjakana satria tsy maintsy manohana ara-bola an`ireo orinasam-panjakana ireo izay tsy mandeha araky ny izay tokony ho izy tamin’izany ny fanjakana boibe. Ny privatisation an’ny SIRAMA dia tsy vita mihitsy satria ao ny antony noho ny resaka tany an’ ity orinasa ity izay tsy misoratra aminy rehefa natao ho tantanin`ny fanjakana tamin’ny 1976 ary indrindra indrindra fa marobe ny mpiasan’ny SIRAMA. Nanao fanadihadiana tamin’izany ireo banky amin`ny fandraharahana amin`izay sehatra fanomezana fitantanana ho an`ny tsy miakina ka inona avy dingana tokony ho ataon’ny SIRAMA dia ny resaka « tany » sy « mpiasa » no notsindrina tamin’izany. Nandeha ny fotoana ary tsy nety tanteraka izany fanovana rafim-pitantanana na dia faharoa tamin’ireo orinasam-panjakana 46 tsy maintsy niova rafitra ny SIRAMA.
Fototry ny olana
Ny taona 1996-1997, vao naheno ny Sirama fa tsy maintsy ho tantanan`ny tsy miankina dia tsy nifototra tamin’ny asany intsony ny mpitantanan’ ny Sirama izay tarihan’i Kolo Christophe tamin’izany ary nodimbiasan’I Mohamed Rachid, izay mpanolon-tsaina manokana an’ ny Filoham-pirenena ankehitriny, ny taona 1997-2000. Tsy nisy intsony ny asa famokarana sy fikojakojana ny fitaovan’ity orinasa ity satria hoe ho avy ny vazaha ary nandrasana nitondra teknolojia vaovao noho ny fahanteran’ny fotodrafitr’asa sy ny fitaovam-pamokaran’ ny Sirama. Rehefa ``inter-campagne``, mila diovina ny ozinina ary soloina avokoa ny piesy rehetra efa tonta ka hanaovana fikarakarana amin`ankapobeany. Amin’io fotoana io no tena mandany vola ny orinasa satria tafiakatra miliara mihitsy ny vola lany. Nanomboka ny “inter-campagne” tamin’ ny 1997 dia nanome baiko ireo tompon’andraikitra ambony fa atao ``tsotsotra`` ny fanamboarana fa efa ho avy ny vahiny hitondra “modernisme”. Kinanjo, nandeha ny fotoana ka tsy nety tanteraka ny ``privatisation” hany ka nihena ny vola niditra ny ozinina ary nihakely ny taham-pamokarana kanefa izany famokarana siramamy sy toaka izany no tena fidiram-bolan’ ity orinasam-panjakana ity. Nandrasana fatratra ity fanovana rafitra ity izay tsy nety tonga ka nitotongana be ny siramamy satria niteraka olana ara-bola ary nanomboka teo no potika ny Sirama. Antitra ny fotodrafitr’asa ary ny isan`ny mpiasa dia mihoatra ny tokony ho izy. Ny vokatra anefa no ahafana mampidi-bola ary ny karaman’ireo mpiasa efa saika tsy voaloha intsony.
Toeram-pamokarana miisa 4
Nisedra fahasahiranana ara-bola sy teo amin’ny fitaovam-pamokarana ny Sirama. Nitobaka ny trosa ka najanona tanteraka ireo ozinina tany Namakia, Nosy-be ary Ambilobe ny taona 2005 fa Brickaville kosa nihodina hatramin’ny taona 2007. Ireo toeram-pamokarana ireo anefa dia namokatra tsara tamin’ny fotoan-androny: Ambilobe nahazoana 60 000 T, Namakia kosa 30 000 T fa Nosy-be sy Brickaville 15 000 T. Ny orinasa mpamokatra siramamy dia misy fotoam-pamokarana ka ny ozinina tsy mihodina mandritra ny taona fa misy ny atao hoe “campagne sucrière” izany hoe tapahina ny fary amin’io ka mihodina ny ozinina ary mamoaka toaka sy siramamy. Misy koa ny “inter-campagne” izay fotoana hikolokoloana ny fary, ireo no tapahina amin’ny campagne manaraka satria ny fary dia volena indray mandeha ihany ny ``plantation`` ka afaka dimy taona indray vao mamboly fa tapahina isan-taona kosa mba hitsimoka ny ``repousse`` ary indraindray misy ``repousses`` 5 fa arakarakin’ ny kalitaon’ny fary. Mety tonga hatramin’ny 6è repousse ary izay vao mamerina ny plantation satria sorohina tanteraka ny tany noho ity farany tsy mamokatra intsony.
Fanarenana tsy mety tanteraka
Ny taona 2002 dia niova ny fitondram-panjakana saingy mbola tsy niova rafitra ny SIRAMA na dia efa vita ny an’ Solima, BTM, sns… Nanapakevitra ny hanarina sy hamelona ity orinasa ity ny Filoham-pirenena tamin’izany ka tsy omena ho tantanan`ny tsy miankina indray ny orinasa. Nandrafitra business-plan na “Plan de redressement de SIRAMA” ny fitondram-panjakana sy ny orinasa ka tapaka tamin’ izany fa omena an’ny teran-tany vahiny ny fitantanana ny orinasa mba ahitana vahaolana eo amin’ny iraisam-pirenena. Ny taona 2004 dia teknisinina Maorisianina sy Frantsay no niara-nisalahy tamin’ny teknisianina Malagasy kanefa vao mainka niteraka fatiantoka an’ Sirama satria antitra ny fitaoavam-pamokarana ka tsy nahitam-bokatra sady lafo rahateo ny karaman’ireo vahiny ireo. Tsy nahomby izany fitantanana izany ka nanova paik’ady ny Sirama ka nanolotra ny “Location-gérance” an’ity orisam-panjakana ity. Nandritra ny fotoana maro izay dia betsaka ireo andrim-panjakana nitady vahaolana sy nijery ifotony ny olana nitranga tao amin’ny orinasa Sirama Nosy-Be no anton-diany. Nisy ny fiarahana nidinika tamin’ireo mpiasa, nifantoka indrindra tamin’ny fomba hamerenana indray ny fihodinan’ity orinasa ity toa an’I Camille Vital tamin’ny taona 2011, Botozaza Pierrot ny taona 2012, nandalo tany ihany koa ny Minisitry ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina, Atoa Chabani Nourdine ny taona 2016.
3,5 tapitrisa dolara isan-taona
Ny taona 2006, natao ny tolo-bidy iraisam-pirenena ary firenena miisa roa no namaly ny antso: STAR AFRICA izay mpandraharaha avy any Zimbabwe ary COPLAN izay orinasa sinoa. Ilay orinasa afrikanina no nahazo an’ ilay tolo-bidy kanefa nifono teti-dratsy izany rehefa natao ny fanadihadiana. Tamin’izany fotoana izany dia namoaka didy ny Filoham-pirenena Robert MUGABE fa tsy misy renivola na “capital” mahazo mivaoka ny firenenany fa ao ihany no azo ampiasana izany. Nikasa hamoaka ny volany fotsiny ry zareo tao amin’ny STAR AFRICA kanefa dia nitarazoka valo volana teny ity raharaha ity. Araka izany, lasan’ ny orinasa COPLAN ny asa fanarenana an’ny SIRAMA tamin’ny alalan’ny “Location-Gérance”. Mitentina 3,5 tapitrisa dolara isan-taona ny hofan’ny ozinina Ambilobe sy Namakia ka ny orinasa sinoa COPLAN ary maharitra 20 taona izany fiaraha-miasa izany. Hofainy araka izany ny fotodrafitr’asa rehetra ary ireo mpiasa eny an-toerana. Mbola misy koa ny karazana hofany toa ny “loyer variable” izay handraisana 2% ny vola miditry ny orinasa sinoa mandritra ny dimy taom-pamokarana voalohany ary miakatra 5% izany mandrapaha-tapitry ny fifanarahana eo amin’ ny roa tonta. Marihana fa mahavita mamokatra 67 000t ity orinasa ity indray mihodina fotsiny.
Nisedra olana tamin`ny sinoa
Ny indro kely anefa dia nisedra olana ny roa tonta eo amin’ny lafin’ny sosialy ny mpiasa sy ny tsy fandoavana ny hofan’ny toerana izay naaton’ ny COPLAN. Mitaky fanamboarana ireo tranom-ponenany ireo mpiasa ao Ambilobe sy Namakia kanefa dia tsy misy fanatsaràna ny fotodrafitr’asa izay no lovaina tamin’ny fanajahan-tany. Velom-panantenana tanteraka ireo mpiasa tamin’ny nandraisan’ny Sinoa ny orinasa satria efa an-taonany maro no nikatona ny orinasa izay niteraka fahoriana ho an’ny mponina tao an-toerana. Rehefa niverina tamin’ny laoniny indray ny fihodinan’ny orinasa dia voalaza fa vao mainka mizaka ny tsy eran’ny aina ataon’ireo tompona orinasa indray ireo mpiasa ary diso fanantenana tanteraka. Mahakisaky izay anefa tsy afaka mijery ifotony ny olana ny eo anivon’ny SIRAMA satria mahaleotena ny fitantanan’ny sinoa araka ny fifanarahana natao. Ny tsy fandoavana ilay hofany kosa dia noho ny antony manjavonjavo satria COPLAN ihany no nanofa ny SUCOMA any Morondava izay niarahany tamin’ny SIRANALA, izay orisam-panjakana ihany koa. Raha tsiahivina dia efa tsy vaovao amin’ ny teran-tany sinoa ny tsy fanajàn’ny zon’ny mpiasa ka niteraka fandrombana sy fanapotehana fotodrafitr’asa izany ny taona 2014. Nilaza ny teo anivon’ ny COPLAN fa tamin’ny fanjakana Malagasy ry zareo no nifaraka ka naato ny fandoavana ny fifanarahana amin’ ny SIRAMA izay tsy misy idiran’ity farany ity akory. Tsy fantatra mazava araka izany raha hoe hanalàny amin’ izany hofan’ny Sirama izany ve ny vola tokony niditra sy very tany Morondrava? Tapaka aloha ny famatsiam-bolan’ ny SIRAMA hatreto ka andrasana araka izany ny tohiny. Marihana fa ny orinasa SUCOCOMA na Sucrerie Coplan Côte Ouest Madagascar no fitambaran’ ny Sirama Ambilobe sy Namakia.
``Fitoana ara-teknika``
Voalaza fa noho ny fihetsiketsehana tamin’ny 1991 dia saika nitombo avo 3 heny ny isan’ireo mpiasa satria nanampidirana ireo namana mpitolona Hery Velona kanefa tsy maintsy hatao “assainissement” izy ireo vao afaka handray an’ity orinasa ity ny mpamatsy vola. Olana goavana no hanalàna mpiasa an’ arivo izany hoe ho “deflattés”. Kanefa tsy nisakana an’ ny Sirama hiroborobo sy hihodina tsara ary handray karama ara-dalàna ny mpiasa. Nisy hatramin’ny 13è mois sy 14è mois rehefa tsara ny taham-pamokarana. Ny taona 2002 hatramin’ ny 2005 dia nisedra olàna ara-bola ny SIRAMA ary zara raha voaloha ny karaman’ ny mpiasa . Ny taona 2007 dia nilamina ny momban’ ireo mpiasan’ Sirama Ambilobe sy Namakia fa ny hafa dia mbola teo amin’ ny fitaintainana foana ka ny volana Novambra 2009 dia voaloha ny karama 25 volana hatramin’ ny 30 volana fa ny Desambra kosa voatery natao ``chômage technique`` ny mpampiasa. Enim-bolana ihany ny fetran’ny “chômage technique” ara-dalàna izany hoe tokony tapitra 2010 saingy indrisy tsy nahitana vahaolana izany ka nitarina kanefa dia voarara ny lalàna izany. Tsy vitany izany fa dia mbola nisedra olana hafa ny Sirama satria maro ireo mpangalatra vy izay niroborobo be tamin’izany fotoana izany ka voatery nanakarama zandary satria misy andian-olona manafika ireo toeram-pamokarana.
Haverina hahodina
Nikaroka hevitra ny Sirama sy ny filankevim-pitantanana hanarenana ity orinasam-panjakana ity. Araka izany, nisesy ny fivoriana niarahan’ny Ministeran’ ny Indostria, ny Ministeran’ ny fiompiana, ny Ministeran’ny vola, SONAPAR, SOFIRE, SGR sy ireo tompon’andraikitra voalohany ao amin’ ny SIRAMA ka tapaka fa hisy fiarahamiasa amin’ny Compagnie Vidzar. Nifanaraka ny roa tonta ka ny taona 2015 no nanomboka izany fifanarahana izany ka ity orinasa mpamokatra zava-pisotro misy alikaola ity no hamatsy ara-bola izany fanarenana izany ary ny Sirama kosa no hiantoka ny toerana sy ny tany hanaovana famokarana. Amin`ny fotoana ihodinan`ny orinasa voalohany, kajina siramamy 20 000t hatramin`ny 25 000t isan-taona ny any Nosy Be. Nametrahana milina vaovao efatra ny orinasa, hiasa mandritra ny 22 ora, afaka mitoto fary 80t isan`ora na 1 760 t isan`andro. Ny orinasa no tompon`ny renivola miasa be indrindra ka notsinjaraina ho 70% ho azy ireo ka 30% ho an`ny fanjakana. Haharitra 30 taona ny fifanarahana ary nanangànana “société d’accueil”, SASM na Société Agricole Sucrière Malagasy, izay natao hitantanana ny asa rehetra. Tsy vao izao ireo orinasa ireto no naira-niasa satria efa ho telopolo taona Compagnie Vidzar no mpanjifa an’ ny SIRAMA. Hamokatra ny akora fototra mantsy ny Compagnie Vidzar satria nafarana foana hatrizay ka amin’ity taona ity no taom-pamokarana andrana ary andrasana ny vokany izany.
Fanjanahana manaram-penitra
Mitohy ny paikady ratsy fanapotehana sy fandravana ny maha Malagasy ketrehan`ireo vahiny te hanjanaka indray an`I Madagasikara amin`ny fomba vaovao. Endrika fanjanahana vaovao tsy miafina amin`ny rehetra ny fanapotehana ny orinasam-pitaterana Air Madagascar ankehitriny toy ireo orinasam-panjakana Malagasy nanana ny maha izy azy talohan`ny 1996. Nampanaovina ny mpitondra ny firosoana tamin`ny fisintahan`ny fanjakana teo anivon`ireo orinasa Malagasy. Faharoa, nampisahanina ny mpitantana firenena Malagasy ny fanalalahana ireo sehatra nofihinin’ny fanjakana. Niroso tsimoramora avy eo ny fivarotana azy ireo tamin’ireo mpanambola vahiny ka isika indray amin’izao fotoana izao no manofa amin’ny sandany tena lafo toy ireo fiaramanidina ampiasain’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Malagasy na koa mandoa faktioran`ny JIRAMA izay mihalafo hatrany. Misoko miadana ireo paikady ireo mba ahafana mifehy ny fitantanana ny fiarahamonina eto Madagasikara ka ny Malagasy indray no mangataka atiny eto Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.