Nisy ny volavolana didim-panjakana nentina teo anivon’ny fikankevitry ny governemanta tamin’ny farany teo.
Miompana indrindra amin’ny fanerena ny orinasam-panjakana izay ananan’ny fanjakana petra-bola betsaka indrindra haneho sy hamoaka am-pahibemaso ny vola sy ny kaonty miodina ao. Tanjona ny ahazoana fangaraharana amin’ny teti-bola sy ny fampiasana izany satria fantatra fa volam-bahoaka no miasa amin’ireny orinasam-panjakana ireny. Ankoatr’izay dia efa mba misy ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso ny fampiasana ny volam-panjakana. Efa afaka mijery ny fampiasana ny volam-panjakana amin’ny antsipiriany ny rehetra amin’ny tambajotran-tserasera misy. Izany rehetra izany moa no atao mba hananana fangaraharana amin’ny teti-bola sy ny fampiasana izany. Araka izany dia arahi-maso akaiky manomboka izao ireo orinasam-panjakana mba tsy ho baranahiny amin’izay rehetra atao ary ho fisorohana amin’ny fatiantoka matevim-be .
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.