Dossier

Orinasa tsy manaja fifaninanana eto Madagasikara Tsy mbola manana tarehimarika ny mpanadihady


  • Zoma 21 Jona 2019

Niditra tamin’ny andro faharoa omaly ny fankalazana ny andron’ny fifaninanana eto Madagasikara notontosaina tetsy amin’ny Pave Antaninarenina.

 

 Misy fepetra hajaina amin’ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fifaninanana eto, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Efa nohavaozina ilay lalàna voalohany tamin’ny taona 2005 ny taona 2018 teo. Mbola andrasana ny fampiharana azy saingy tsy misakana ny tompon’andraiki-panjakana rehetra io hatreto. Ny mpandraharaha sy mpanjifa ary fanjakana no toko 3 mahamasa-nahandro ny toekarena. Maro lafy ny fifaninanana tsy mazava na « concurrence déloyale » izay samy ataon’ireo mpandraharaha ka miantraika amin’ny samy izy ireo na amin’ny mpanjifa mihitsy. Azo aterina eny amin’ny filankevitry ny fifaninanana ny fitarainana mikasika ny fahitana ny tsy fanajana lalàn’ny fifaninanana. Voararan’ny lalàna koa ny fanaovana ampihimamba na « monopole » sy fanararaotana tanjaka ara-toekarena. Ny taona 2015 moa no nitsangana ny filankevitra ary ny taona 2016 no niasa. Tsy mbola manana tarehimarika mazava kosa hatreto mikasika ny fanadihadiana nataon’izy ireo ny filankevitra fa mbola hanadihady ireo orinasa ahiahiana, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT