Dossier

Orinasa Malagasy Tokony hatokisan’ny mpanjifa


  • Zoma 22 Martsa 2019

Navoaka omaly alakamisy 21 martsa tetsy amin’ny hotely Ibis Ankorondrano ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny Facto Saatchi&Saatchi sy ny ATW ny amin’ny filaharan’ny orinasa Malagasy arakaraky ny fitiavan’ny mpanjifa.

 

 

  Tamin’ny alalan’ny fanatonana sy ny firesahana tamin’ny mpanjifa no nivoahan’ny mason-tsivana miisa 4 nitsarana ireo orinasa. Niainga tamin’ny fanadihadiana tamin’ny olona 800 teto Antananarivo ary orinasa miisa 215 no nalahatra arakaraky ny fandresen-dahatry ny mpanjifa. Tamin’izany no nijerevana ny tanjaky ny orinasa amin’ny alalan’ny fahatsaran’ny vokatra, ny fandrosoana, ny famoronana. Notsaraina ihany koa ny fahaizan’ny orinasa mampisongadina ny vita  Malagasy ka mitsinjo ny mpanjifa eto an-toerana hiteraka fampandrosoana ny firenena. Teo ihany koa ny fitarafana ny fahatokisan-tenan’ireo orinasa ireo tahaka ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Mason-tsivana nandaharana ireo orinasa ihany koa ny lazany izany mampisongadina ny sary ampitainy amin’ny mpanjifa. Tamin’ity fanadihadiana natao tamin’ny taona 2018 ity no nahafantarana fa ireo orinasa 30 voalohany dia saika misehatra amin’ny agroalimentaire, ny fizarana (distribution) ary ny fifandraisan-davitra (telecom). Tanjona ny hampivoarana sy hanatsarana ny orinasa Malagasy mba hisonga hatrany ny sary homena ny mpanjifa. Eo ihany koa ny ahafahana mijery ny lesoka hampitomboana ny  sehatra serasera. Izany rehetra izany dia hiteraka fiarovana ny vokatra vita Malagasy ka tanjona lehibe ny hananan’ny mpanjifa na eto an-toerana na any ivelany ny fahatokisana ny orinasa Malagasy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT