Dossier

Orinasa madinika sy salantsalany Hampivoatra ny fandraharahana sy ny toekarena


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Omaly zoma 6 jolay no nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Tripolitsa Analakely ny fisian’ny hetsika fampirantiana orinasa madinika sy salantsalany.

Hotanterahina  ny 3 sy 4 Aogositra ho avy izao izany etsy amin’ny Hotely Carlton ary hanome sehatra hatrany ny fandraharahana. Maherin’ny 3000 hatrany amin’ny 5000 eo ny mpitsidika andrasana amin’ity hetsika ity izay ahitana ireo mpandraharaha, ireo olona manana tetikasa, ireo mpampiasa vola sy mpanodim-bola ary ireo mpianatra indrindra indrindra. Ankoatr’izay dia hisy ny fifaninanana famolavolana tetikasa hananganana orinasa (startup) ka maro ny loka avy amin’ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka ho azon’ireo tetikasa 3 voalohany. Ao ihany koa ny torohevitra sy fanampiana amin’ny lafiny maro ireo tanora manana tetikasa mendrika ireo. Tombony amin’ity hetsika ity ihany koa ny ahitana ireo vokatra Malagasy vaovao maro izay hiteraka fampandrosoana sy fampitomboana ary serasera ara-barotra amin’ireo orinasa mpandray anjara. Ny CERE (Club Etudiant du Rendez-vous des Entrepreneurs) moa no mikarakara ity hetsika fambiroboroboana ny fandraharahana ity. Tena ilaina ny hetsika manome lanja ny orinasa madinika sy salantsalany tahaka itony mba hampiodina sy hampivoatra hatrany ny fandraharahana ary hanome vahana ny tanora handray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT