Taorian’ ny fanambarana nataon’ ny sendikan’ ny mpiasa eo anivon’ ny orinasa Fanalamanga (STFAN) dia nanambara ny tale jeneralin’ ny orinasa, Atoa Rakotonirina Augustin, fa tsy misy tokony mampanahy ny mahakasika ny ala ao Moramanga.
Nohamafisiny hatrany fa mbola misy ala azo trandrahana mandritra ny 24 taona mitohy amin’ ny velaran-tany iasan’ ny orinasa Fanalamanga. Notsipihany fa voarafitra ao anatin’ ny drafitra fanajariana ny fitantanana ny ala izany na “plan d’aménagement de gestion forestière”. Ao anatin’ ny fandaminana tanteraka ihany koa ny orinasa Fanalamanga ankehitriny, hoy hatrany ity tale jeneraly ity. Raha tsiahivina, nilaza ny sendikan’ ny orinasa Fanalamanga (STFAN) fa very fanahy mbola velona ireo mpiasa ankehitriny. Nilaza izy ireo fa velaran-tany manodidina ny 23 000 ha sisa no misy asa ao anatin’ ny faritra tantanan’ ny orinasa ao Moramanga saingy ny 3000 ha ihany no misy hazo vaventy azo trandrahana avy hatrany raha mbola afaka 10 taona vao azo trandrahana ny 3000 ha fanampiny ary afaka 24 taoana kosa vao azo trandrahana ny 17 000 ha. Velaran-tany 1000 ha misy ala anefa no tsy maintsy trandrahana isan-taona mba hahafahany mihodina toy ny fandoavana ny karaman’ ny mpiasa, ny fanarenana ny faritra avy notandrahana ary koa fikarakarana ny ala. Araka izany, afaka 3 taona sisa dia ho lany ireo hazo vaventy azo trandrahana, hoy ny fanazavana nataon` ny sendika. Marihana fa miisa efatra ny sendika eo anivon’ ny orinasa Fanalamanga ka iray amin’ izy ireo ny STFAN.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.