Dossier

Orinasa eto Madagasikara Tsy mateza ny ankamaroany


  • Zoma 08 Martsa 2019

Marefo ny orinasa eto Madagasikara, hany ka tsy mateza, hoy ny Tale jeneralin’ny fampianarana ambony ampitain-davitra CNTEMAD (Centre National de Télé-Enseignement de MADagascar) Dokotera Djohary Andrianambinina.

 

 

 Maro ny olana sedrain’ireo orinasa tsy miankina indrindra izay mampikatso sy mahafaty mihitsy azy ireo. Olana ho an’ny mpandraharaha ny tsy fahafahany misitraka mihitsy ny famatsiam-bola mba tena ilaina amin’ny fanodinana ny orinasany. Saika ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) izay mampiasa olona vitsivitsy no miforona sy maro mitsangana eto Madagasikara kanefa amin’io sokajina orinasa io ihany koa no maro tsy maharitra sy mora maty eto amin’ny firenena. Eo ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana noho ny fanandrakandramana fotsiny tsy narahana fanadihadiana hany ka tsy mandeha amin’izay izy ny fandraharahana atao. Misy indray ireo karazan’olona manangana orinasa kanefa sady tsy manana ny fahaiza-manao sy ny traikefa amin’ny fitantanana sy ny fandraharahana akory, hany ka mikorosofahana vetivety ny orinasa. Tokony hisy, hoy ity mpandalina ny toekarena ity ny fijerena sy ny fanadihadiana lalina amin’ny tetikasa na ny fandraharahana hatao mba hampaharitra ny orinasa. Etsy an-daniny, tokony hojeren’ny fanjakana ny vahaolana momba ny banky mba tena hamelona mpandraharaha fa tsy hamono amin’ny zanabola avo be tahaka ny misy eto Madagasikara.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT