Notanterahana omaly tao amin’ny ministeran’ny fanabeazana Anosy ny fanavaozana ny fifanaovan-tsoaniam-piaraha-miasa niaraka tamin’ny orinasa DHL International Madagascar.
Fiaraha-miasa vaovao haharitra 5 taona ary tanjona ny hampitombona ireo sehatrasa misy sy hamoazana sy hampiroboroboana ny fandraharahana ao anatin’ny ankizy misitraka ny tetikasa Go Teach. Tsiahivina fa efa 3 taona katroka izay no nanaovan’ny orinasa DHL io fandaharan’asa sosialy Go Teach io tamin’ny ministeran’ny fanabeazana. Fampivoarana ny tanora eo amin’ny lafiny fampianarana sy ny fidirana eo amin’ny sehatry ny asa no tanjona ka mpianatry ny sekolim-panjakana maherin’ny 1 000 no mahazo tombontsoa. Efa nahazo fampiofanana sy traikefa arak’asa avy amin’ireo mpiasan’ny orinasa DHL izy ireo ary manodidina ny 15 hatramin’ny 23 taona ny salan-taonany. Hatramin’zay dia ny ankizy teo anivon’ny SOS Village d’enfants Madagascar no nisitraka ny fisian’ny tetikasa Go Teach nanomboka tamin’ny taona 2009. Mitatra izany ankehitriny ho fitsinjovana ny lafiny fanabeazana sy ho fampivoarana ny ankizy sy ny tanora amin’ny lafiny fandraharahana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.