Nanampy ireo tantsaha 127 tompony sy mpampiasa ny tany voakasika tamin’ny fametrahana ny fantsomby (pipeline) tapa-kevitra ny hamboly hazo fihinam-boa ny orinasa Ambatovy, mba hahafahan’izy ireo manitatra ny asa fidiram-bolany.
Velaran-tany mihoatra ny 231 ha no hovolen’ireo tantsaha avy amina tanàna 7 ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andasibe, Ambatovola ary Beforona ireo zana-kazo mahatratra 28 200 mahery ahitana voasary, kafe, lodsia ary kininina. Efa nahazo tohana avy amin’Ambatovy tamin’ny seha-pihariana hafa toy ny fambolena legioma sy famokarana zanakazo ireo tantsaha ireo ary mikendry ny hanana fidiram-bola hafa maharitra sy azo antoka ho an’ny taona maro mifandimby amin’ity fambolena hazo fihinam-boa ity. « Nihatsara tokoa ny fidiram-bolako noho ireo fambolena legioma sy zanakazo ala izay notohanan’Ambatovy. Ary manantena aho fa mbola afaka ny hanangom-bola bebe kokoa rehefa ho tonga ny vokatra amin’ireto hazo fihinam-boa ireto afaka taona vitsivitsy », hoy Ramarsa Nirina Zanamé, tantsaha monina ao Berano, Kaominina Ambanivohitra Andasibe, izay mametra-pitokisana tokoa amin’ireo foto-boasary 60 sy lodsia 50 novoleny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.