Dossier

Orinasa afaka haba Tokony hanatsara ny fari-piainan’ny mpiasa


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Mety amin’ny Malagasy ny fisian’ny orinasa afaka haba eto noho izy mifanaraka amin’ny fari-pahaizan’ny maro.

 

 

 Tsy mila filazam-pahaizana ambony mantsy izy ireo, hany ka manintona ireo Malagasy maro. Mampitaraina ireo mpiasa sasany kosa anefa ny fitondrana misy amin’ireny orinaa afaka haba ireny. Misy amin’izy ireny no mandroaka mpiasa isaky ny telo na enim-bolana ary mandray mpianatra asa matetika hialana amin’ny fandoavana karama tokony ho izy. Ankoatr’izay dia tsy voahaja ny tombony tokony ho azon’ny mpiasa rehefa manao asa mihoatra. Fantatra fa efa 35.000 eo ny mpiasa efa miasa taorian’ny fiverenan’ny AGOA ary tena manavotra ny Malagasy maro izany. Mamelona fianakaviana maro ary misy fiantraikany mivantana amin’ny toekarena mihitsy ny fisian’ireny orinasa afaka haba ireny Mila jeren’ny tompon’andraikitra ihany anefa ny zava-misy sy ny fijaliana lanjain’ny mpiasa amin’ny toerana sasany. Ilaina ny fijerena ny tombontsoan’ny mpiasa Malagasy satria izy ireo no mampihodina ireny orinasa afaka haba ireny

Tsirinasolo

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT