Dossier

Orinasa afaka haba Nisy akony ratsy ny grevin’ny fadin-tseranana


  • Alarobia 05 Septambra 2018

Niteraka fahasahiranan’ireo orinasa afaka haba ny tsy filaminan’ny fadin-tseranana teto Madagasikara, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny orinasa afaka haba Rakotoarisoa Hery Lanto.

 

Voakasika tamin’izany ny sehatra lamba mamoaka sy manondrana ny entana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nisy mantsy ny fahataran’ny famoahana ny entana noho ny grevy nisy teny amin’ny fadin-tseranana kanefa zava-dehibe loatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fanajana ny fotoana. Ankoatra izay, tsy maharaka mihitsy ny entana mivezivezy sy tokony haondrana, hoy izy ny seranan-tsambon’i Toamasina ka miteraka olana ihany koa amin’ny tokony ho vola vahiny miditra eto Madagasikara. Io sehatra lamba io anefa no mba manome asa ara-dalàna ary mifanaraka amin’ny faripahaizan’ny Malagasy maro. Tokony hisy politika mazava ny amin’ny fiarovana ireo asa efa mba niforona ireo sao dia hanondrana tahaka ny tamin’ny fanonganam-panjakana eo indray. Tsiahivina fa 35.000 ny asa efa teraka hatramin’ny niverenan’ny tetikasa AGOA tamin’ny taona 2016, araka ny tatitry ny filankevitry ny fampandrosoana ara-toekarena EDBM.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT