Dossier

Orinasa afaka haba ara-tsaina Tsy manaja ny lalàna ny asa eto Madagasikara


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Anisan`ny miroborobo eto Madagasikara ny karazana orinasa ireo indrindra ny “call center” sy ny “traitement off shore” na ireny orinasa afaka haba ara-tsaina ireny.

 

 Tamin`ny taona 2005 no nisy azy io teto amintsika ary tsy mitsahatra mitombo ny isan`izy ireo isan-taona ka mahatratra 85 no miorina sy mihodina ankehitriny.  Maro ihany koa ireo tanora no liana. Betsaka kosa ireo orinasa no tsy manaja ny lalàna Malagasy mifehy ny asa ohatra amin`ny tsy fanarahana ny ora fiasana na koa ny fitsimbinana ara-tsosialy.

 

Miroborobo ny “Call center”

Tao anatin`ny taona vitsivitsy izay, betsaka ny tolotr`asa izay mivoaka amin`ny gazety na amin`ny tambajotra sosialy mahakasika ny “call center”. Mahazo vahana amin`ny firenena an-dalam-pandrosoana izao ireo orinasa mampiasa teknolojia vaovao, ny fifandraisana ary ny serasera. Ny “teleconseiller”, ny “teleoperateur”... no tiana ambara, dia voasokajy ao amin`ilay asa hoe “outsourcing”. Izany hoe, misy orinasa iray manana mpanjifa saingy tsy io orinasa voalaza kosa no mikarakara ny fifandraisana azy fa manakarama orinasa manana fahaizana manokana mahakasika ny fomba fandraisana, indrindra ny fandresen-dahatra ny mpanjifa. Maro dia maro izy ireo eto Madagasikara no mivondrona ao antin`ny GEFP na ireo orinasa mivondrona ao anaty afaka haba. Raha ny tarehimarika tamin`ny taon-dasa dia 14 ireo orinasa avy any ivelany no tonga mampiasa Malagasy, miantso sy miresaka amin`ireo mpanjifany avy any ivelany. Matetika dia ivelan`ilay firenena misy ny foiben`ilay orinasa no hametrahana sampana iray miandraikitra ireo asa ireo.  Araka ny voalaza etsy ambony, “televendeur” na varotra amin`ny alalan`ny aterineto no atao any amin`ny firenenan-kafa ivelan`ny foiben`ilay orinasa no hanaovana azy ary afaka manao azy io rehefa afaka ny fitaovana eny am-pelatanana. Toy izany ihany koa ny “teleoperateur” izay mamita fanoratana an-tsoratra na amin`ny gazety na boky. “teleconseiller”izay manome torohevitra amin`ireo mpanjifa amin`ny alalan`ny antso an-tariby na amin`ny alalan`ny mailaka (e-mail). Anisan`ny miroborobo eto Madagasikara ny karazana orinasa ireo indrindra ny call center izay miasa amin`ny alalan`ny finday na mailaka. Tamin`ny taona 2005 no nisy azy io teto amintsika ka izao tsy mitsahatra mitombo ny isan`izy ireo isan-taona ka mahatratra 85 no miorina sy miodina  ankehitriny.


 

Orinasa afaka haba ara-tsaina

Tahak`ireo orinasa afaka haba izy ireo saingy voasokajy ho ara-tsaina na ilay antsoina hoe “Zone franche intellectuelle”. Misy kosa ireo fepetra tsy maintsy hajaina mialoha ny hihodinany. Tsy maintsy manaraka ny fepetran`ny orinasa afaka haba kosa izy ireo: ohatra, tsy maintsy manana toerana iray ilay orinasa mba tsy ahafahan`ny orinasa sasany mivezivezy ka mila mangataka manokana amin`ny EDBM. Voasokajy ho orinasa afaka haba ireo sehatr`asa mivohy ny “outsourcing”sy ny “off-shore” satria mampiasa olona maro be. Misy orinasa iray mampiasa olona hatramin`ny 3 000 eto Antananarivo. Noho izany, tsy maintsy mampihatra ny lalàna mifehy ny orinasa afaka haba izy ireo noho ny antony hafa ihany koa, ny fanondranana. Manondrana asa mivantana any ivelany izy ireo, izany hoe antso an-tariby miainga avy amin`ny firenena iray no miantso mpanjifa amina orinasa any ivelany any.


 

Sehatr`asa malalaka

Maro ireo teratany Malagasy no mirona amin`ity sehatr`asa ity. Misy mihitsy no manangana orinasa kely satria betsaka ireo sehatra vitsy mpanao toy ny ‘fizahantany amin`ny alalan`ny aterineto” fa afaka ampifangaroana amin`ny zavatra hafa tian`ilay orinasa na olon-tsotra. Mila kosa misoratra amin`ny EDBM ny orinasa, izany hoe mila manana NIF,STAT, RCS na “registre en commerce” eny amin`ny tribonaly toy ireo orinasa ara-dalàna rehetra. Raha ho an`i RR izay nanangana orinasa “call center” iray teto an-drenivohitra, dia manana fifanarahana amina orinasa any ivelany. Ity farany ity tsy maharaka ka ny orinasan`i RR. no manao ny atao hoe “sous-traitance”. Ny fandoavana ny karaman`ny orinasany dia arakaraka ny fifanarahana ary miankina amin`ny tsena any ivelany ihany koa. Izy raha teo dia “sous-traitant” ka indraindray iray volana ary mety mihoatra ny fandoavana karama. Maro ny vesatra teo am-piandohany satria nampiasa ankizy 5 hatramin'ny 10 teo izy tamin`ny fanombohany. Miampy ny fitaovana, hofan-trano, fiara mpitatitra ny mpiasa, jiro sy rano… ka tsy maintsy namoaka vola am-paosy araka ny fanazavana hatrany. Ny “connexion”no tena vesatra satria tsy maintsy ireny “haut-debit” ireny no hampiasaina. Nila nametraka antoka (caution) rehefa nampiditra aterineto izany hoe tsy maintsy nametraka petra-bola mitentina 2 tapitrisa Ariary. Marihina fa ny saram-pifandraisana na “coup de communication » eto Madagasikara no lafo indrindra raha oharina amin’ny firenena eto Afrika.

Mora karama eto Madagasikara

Orinasa matanjaka avokoa no mametraka ny sampany eto amintsika ary saika frantsay ny ankamaroany. Sivana voalohany nanasa fidianana an`i Madagasikara dia izy firenena frankofona. Maro tanora mahay eto Madagasikara, hoy ny tompon`ny orinasa iray sady malalaka ny sehatr`asa eto amintsika ary betsaka ireo olona no tsy an`asa. Maro rahateo izy ireo indrindra ireo mpianatra afaka baka miisa 8 000. Mazoto mihitsy ireo teratany vahiny indrindra ny “Magrebianina” tonga eto amintsika satria mora karama ihany koa. Mahay miteny sy manoratra frantsay tsara ny Malagasy ary izany ny fepetra takiana voalohany raha hiasa amin`ity sehatra ity hoy hatrany ny fanazavana. Maro ireo tanora liana amin`ny sehatr`asa “teleoperateur”na “call center” ary mampiofana mihitsy ireo orinasa. Fampiofanana manondidina ny fandresen-dahatra an`ireo mpanjifa avy any ivelany na eto an-toerana amin`ny alalan`ny antso an-tariby.  Fanamafisana ny fahaiza-mifehy ny teny frantsay sy ny fomba fandraisana fa indrindra ny fandresen-dahatra ny mpanjifa. Fiofana amin`ny resaka serasera mifandraika amin`ny varotra, ny fifandraisana amin`ny mpanjifa … no tena iantsorohany. Ny fanamafisana ny fahaizan`izy ireo hamaly ny fenitra takian`ny orinasa fotsiny no ilaina.

Sehatra fehezin`ny Magrebiana

80%`n ireo orinasa “call center” mantajaka eto Madagasikara dia Magrebiana avokoa. Izy ireo no efa manana traikefa be amin'io ary misy azy ireo manerana Afrika ary efa misy solontenany ihany koa any amin`ireo firenen-dehibe any, izay mahafehy ny zava misy any.  Tsikaritra ihany koa fa miovaova foana ny anaran`ny orinasa “call center” satria betsaka ny vola miditra ary izany no fomba tsotra mba tsy ahitana “tracabilte” eo anivon`ny mpamory hetra. Raha tsiahivina dia itony karazana orinasa itony no tafiditra betsaka tao anatin`ny raharaha “Panama Papers”, resaka famotsiam-bola tamin`ny taona 2016.

Tsy voahaja ny lalàna mifehy ny asa

Betsaka amin`ireo orinasa ireo kosa no tsy manaja ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara. Misy orinasa no tsy manao “contrat” amin`ny mpiasa. Tsy maintsy mandrotsaka ho an`ny rantsamangaika voakasika ny latsakemboka sosialy voatondron`ny fehezan-dalàna momba ny asa sy ny fehezan-dalàna momba ny fitsimbinana ara-tsosialy toy ny OSTIE sy CNaPs saingy tsy misy izany satria arakaraky ny “produit” lafo no handoavana karama. Ny ora fiasàna kosa dia mihoatra ny adiny valo voarakitra ao antin`ny lalàna satria amin`ny ankapobeany dia manomboka miasa amin`ny 10 maraina hatramin`ny 9 ora alina ny mpiasa. Fa raha betsaka kosa ny asa dia miditra amin`ny fito maraina ary mirava am 9 alina foana. Voarakitra ao anatin`ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara araka ny didim-panjakana laharana faha 2007-007 tamin`ny 09 Janoary 2007 fa tsy maintsy miantoka ny fitaterana sy ny fiantohan`ny mpiasa tsirairay ny mpampiasa ary raha mihoatra ny adiny valo ny ora iasana dia tsy maintsy mitomboka 30% ny karama. Lalàna izany ary natao hanan-kery sy havoaka ao amin’ny gazetim-panjakana sy hampahafantarina na aiza na aiza.

Tsiry sy Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT