Orinasa afaka haba iray miodina ao Antsirabe no ahiana hikatona noho ny resaka tsy fifanarahana tamin` ny tompon-trano nofainy (contrat de bail). Ny taona 2007 no nanao taratasim-pifanarahana fa hanofa ny trano niasany ny orinasa afaka haba iray ary haharitra 9 taona izany.
Tsy mbola tapitra ilay fe-potoana dia nanapaka ilay fifanarahana ilay orinasal mpanao akanjo-ba ny taona 2012 fa hiova toerana ka nampandre ny tompon-trano enim-bolana mialohan` ny nialany (preavis). Ny zava-nisy anefa nampiakatra ny raharaha teo anivon` ny tribonaly ny tompon-trano, izay nilaza fa simba ny tranony ary nitaky onitra izy tamin` zany. Resy anefa ny tompon-trano tamin` izany ka nampiakatra indray ny raharaha ny taona 2014. Nivoaka ny didy izay nitaky onitra 146 tapitrisa Ariary tamin` ilay orinasa afaka haba miampy vola nitentina 126 000 euros ho hofan-trano nandritra ny dimy taona ambiny tamin` ilay “contrat de bail”. Nangataka “pile” na “pourvoir dans l`intérêt de la loi” indray ny orinasa taorin'io saingy noho ny fifandimbiasam-pahefana dia tsy nahazo izany izy ireo. Nisy, araka izany, ireo fitaovan' ny orinasal no giazana (saisie) ary alatsinainy izao no atao lavanty. Raha hampiharina, araka izany, ny didy dia hikatona ny orinasa ary mpiasa 4000 no ho very asa mivantana. Anisan’ny mandray anjara lehibe eo amin’ny fampivelarana ny toe-karen’i Madagasikara ny fidirana eo amin’ny sehatry ny varotra iraisam-pirenena. Ohatra amin’izany ny sehatry ny famokarana lamba, izay raha toa ka afaka mampiasa olona arivo ny orinasa afaka haba.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.