ONU sy ireo rantsamangaikany

Inona marina moa ny tombotsoa be azon’i Madagasikara?


  • Talata 11 Febroary 2025

Manomboka henjakenjana ny tsio-drivotra mikasika ny Firenena Mikambana (ONU - Organisation des Nations Unies) sy ireo rantsana ao anatiny,

indrindra eo anatrehan’ny fisintahan’i Etazonia amin’ny rafitra sasany toy ny OMS, ny fikasany hiala ao anatin’ny filankevitra momba ny zon’olombelona,… Mba hitandro ny fandriampahalemana, hanohana ny fampandrosoana ary hiaro ny zon’olombelona,… no lalan-tsaina nametrahana ny ONU ny taona 1945. Na izany aza, mipetraka ny fanontaniana hoe : Inona marina moa ny tombotsoa be azo avy amin’ny ONU sy ireo rantsamangaikany ? Misy latsakakemboka aloha isan-taona ny ONU, faritana amin’ny harin-karena faobe (PIB), ny fidiram-bolan'ny mponina, ary ny toe-bola ankapoben'ny firenena tsirairay. Eo amin'ny 22% amin'ny teti-bolan'ny ONU ny ambony indrindra, ka i Etazonia no lohany, raha 0,001% ny ambany indrindra ho an’ny Firenena mahantra sy tsy afaka ara-tokerana, ka raha ho an’ny 2023 ohatra, dia 0,004 ny an’i Madagasikara. Miankina latsakemboka izany ny lanjan’ny Firenena sy ny tombotsoa!? Ho an’ny 2025 dia eo amin’ny 3,72 miliara ny tetibolan’ny ONU ka asa na hisy fiovana noho ny zava-misy.
RESENA ANY ANATY RAHARAHA « ILES EPARSES »
Misy ireo rafitra lehibe, ka voalohany ny Fivoriambe na « Assemblée Générale » dia ivon’ny fifampidinihana ao amin’ny ONU. Raha ho an’i Madagasikara, dia tokony hodinihina sy hamafisina amin’io ny fehin-kevitra efa notapahan’ny ONU tamin’ny 1979 maha antsika ny « Iles Eparses » fa mihemo-dava sy arirarira satria firenena madinika. Ny mpitondra tsy mahavita «Lobbying » fa fakana sary amin’ny mpitondra ambony sy manam-pahefana iraisam-pirenena no tena mafotaka ? Ny Frantsay izay mibodo an’io dia anatin’ny mpikambana maharitra 5 (Etazonia, Shina, Rosia, Royaume-Uni, ary Frantsa) amin’ny Filankevi-pilaminana (Conseil de Sécurité) ka afaka mampiasa ny zo hivalozana na « droit de veto ». Misy ny Fitsarana Iraisam-pirenena (ICJ - Cour Internationale de Justice), rafitra ambony indrindra amin’ny famahana fifanolanana, mampihatra lalàna iraisam-pirenena amin’ny raharaha ara-pitsarana. Voahitsakitsaka anefa ny fanapahan-kevitra eran-tany momba ny fanatsarahana ny fanjanahantany sy famotsorana ireo tany nalain’ny mpanjakana. Lasa fanamelohana sy fanagadrana mpitondra Afrikanina no asany? Ny rafitra hafa toy ny OHCHR (Office of the High Commissioner for Human Rights) dia manome sazy ho an’ireo firenena tsy manaraka ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona fa misy fanapahan-kevitra manoloana an’izany ve eto na viravirain’ny mpitondra aza ny vahoaka?
 

Any amin’ireo rantsana manokana toy ny UNESCO (fanabeazana sy kolontsaina), OMS (fahasalamana), UNICEF (zon’ny ankizy), OIT (zon’ny mpiasa), ary FAO (sakafo sy fambolena) isika no mety mahazo rirany kely kanefa tsy azo hamaivanina. Mbola misy koa anefa tsy mandeha amin’ny laoniny raha tsy hilaza afatsy ny zon’ny mpiasa iandraketan’ny OIT...
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT