Dossier

Olan’ny JIRAMA Tsy fantatra intsony izay tena marina


  • Zoma 25 Oktobra 2019

Tato anaty andro vitsy izay dia hita taratra ny fanapahan-jiro lavareny tamina toerana samihafa teto an-drenivohitra.

 

 

 

Voalazan'ny tompon’andraikitra eo anivon'ny JIRAMA fa vokatry ny fahasimban'ny gropy miisa 04 no nahatonga izany. Fantatra fa efa nisy fahasimbana ireo gropy ireo sady nanampy trotraka ihany koa ny olana ara-tsolika izay tsy nahatosika ireo gropy teny Ambohimanambola, nisy ihany koa ny fahasimbana teo amin’ireo tambajotra manaparitaka ny herinaratra. Ireo no fanamarihana nentin'ny orinasa JIRAMA manoloana ny delestazy. Fantatra ihany koa fa efa voavaha omaly maraina ary tsy tokony hisy intsony izay fanapahan-jiro izay ankoatra ny olana ara-teknika. Io omaly io ihany anefa, ny maraina dia faritra maro no tratry ny delestazy, naharitra adiny roa, ohatra, ny teny Itaosy sy ny manodidina, ny tolakandro tapaka nanomboka tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro ka hatramin’ny 6 ora latsaka fahefany hariva ny herinaratra teny Soanierana…ary na ny fampitam-baovao tao amin’ny pejy facebook ofisialin’ny jirama aza ny alarobia sy omaly alakamisy dia toa misy zavatra mifanohitra. Nambara aloha fa olana ara-teknika no nahatapaka ny herinaratra, avy eo nolazaina indray fa noho ny tsy fisian’ny solika. Mialoha izao ny minisitry ny angovo sy ny tale jeneralin’ny OMH dia nanome toky fa tsy tokony hisy hampikoropaka satria ampy tsara ny solika. Fa inona izany no tena marina ? Sa efa tsy mifampita ny vaovao tena izy koa ny samy mpiara-miasa ka lasa diso na tsy ampy ny serasera atao ?

Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT