Mampikolay hatrany ny fahatapahan-jiron’ny Jirama amin’izao fotoana izao. Saika isan’andro io, ary mandavan-taona tsy mety mivaha ny olana. Rehefa lohataona,
dia ambara fa tsy ampy ny rano, rehefa fahavaratra indray, dia ambara fa tapaka noho ny haratsin’ny toetry ny andro,… Nirarakopana ny fanesorana sy fanoloana tompon’andraikitra ambony, saingy hatreto, dia ny omaly tsy miova ny tolotra, izay mampikolay ny vahoaka. Anisan’ny noresahin’ny filoha Rajoelina tany amin’ny propangady ny resaka angovo sy herinaratra, ary nambara fa tena ho avy ny vahaolana, hampitomboina ny famokarana, ary hampidinina mihitsy aza ny sandan’ny herinaratra. Voaraikitra ao anatin’ny IEM fa manana toerana 1500 hahafahana herinaratra miainga amin’ny rano isika, izay hahafaha-mamokatra hatrany amin’ny 8000Mw. Ny fotodrafitrasa sy ny fanatsarana misy amin’izao, dia zara raha mahavokatra 160Mw. Mahatratra 2800 ora isan-taona ny daniky ny masoandro saika manerana an’i Madagasikara, indrindra ny ilany andrefana sy atsimon’ny nosy, izay zava-dehibe satria afaka mamokatra 15000Kwh/m2. Hahafaha-mamokatra amin’ny alalan’ny rivotra (éolien) 2000Mw ihany koa any avaratra sy atsimon’ny Nosy. Kendrena ho hatramin’ny 2025 ny fandrakofana herinaratra an’i Madagasikara, izany hoe eny ambanivohitra, raha 15% amin’ny Malagasy no misitraka izany ankehitriny, ka 6 hatramin’ny 8% ny eny ambanivohitra. Nambara fa hametrahana famokarana miainga amin’ny herin’ny masoandro ao anatin’ny fotoana fohy (plus brèfs delais) ireo toerana manana taramasoandro ambonin’ny 5500W/m2, dia i DIANA, SAVA, Sofia, Boeny, Melaky, Menabe, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Vakinankaratra, Bongolava, Atsimo Atsinanana. Hatreto aloha, mbola mijanona ho vina sy fampanantenana izany amin’ny ankapobeny. Tsara ny tetikasa, fa toa mbola baraingo ny hoenti-manatanteraka azy. Zava-dehibe ny vina fa mila atomboka amin’ny akaiky dia ny famahana ny olana misy ankehitriny, ary hitarina tsikelikely.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.