Dossier

Olana ara-tsosialy –Antananarivo Ny zaza mpangataka no lasa jiolahy


  • Talata 18 Febroary 2020

Lasa tranga efa mahazatra ny mpanara-baovao ny mandre sy mahita zaza tsy ampy taona, nangarom-paosy, nanao sinto-mahery ka tratra.

 

 

 

Omaly izao dia ankizilahy iray manodidina 12 taona teo no voasambotry ny polisy teny Ankadifotsy satria anisan’ireo andian’ankizy mpanendaka eny. Misy maromaro lahy izy ireo, hoy ny mponina eny an-toerana, ka rehefa azo ny entana amin’ny alalan’ny sinto-mahery dia hataon’izy ireo pasipasy mandra-pitsoakany.Mbola karohina ny naman’ity zazalahy ity.Etsy an-kilan’izay araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena dia mpangarom-paosy miisa 9 no tratra am-perinasa omaly ka ny 6 teny amin’ny tsena Pochard ary ny 3 kosa teny amin’ny Esplanade Analakely.Maro amin’izy ireo no tsy ampy taona .

Garabolan’ny jiolahy

Tsy tongatonga ho azy ny ankizy mbola tokony ho any an-tsekoly lasa mpanendaka sy mpangarom-paosy eny an-dalambe sy eny an-tsena fa ao raha. Ambara ho antony voalohany sy lehibe indrindra ny fahantrana. Misy efa kamboty ireny zaza lasa jiolahy ireny. Ao koa ny misaraka ny ray aman-dreniny na migadra na tsy hita dia miavo-tena sy mamelon-tena ilay zaza. Maro amin’izy ireny koa no nampiasaina nanao mpangataka fony fahakeliny ka manomboka vao mahay miteny (3 taona) ka hatramin’ny 9 taona, izany hoe izy ilay mbola zaza. Atao somary malotoloto sy malomalok’endrika, miteny malefaka hoe “mangataka ramose”, “omeo vola kely madama fa noana be”…hany ka lasa mangoraka ny mpandalo dia manome.

Irakiraka

Feno 10 taona izy, efa somary misimisy vatana, ny saina manomboka miasa kokoa dia lasa mikarama manary fako, manampy ny olon-dehibe miambina Parking, manasa fiara na manadio trano, manao irakiraka  isan-karazany dia efa mandray vola karama.Mitohy hatrany amin’ny faha-15 taona any io. Eo anelanelan’izay anefa no misy ireo mibirioka lasa manao sinto-mahery sy lasa faingan-tanana rehefa tsy mahatanty ny mena miraviravy mahita ireo karazan’entana sy fananan’olona eny an-dalambe eny isan’andro.

Manomboka mandatsa-dra

Efa hafa mihitsy ny kajy, hoy ny foba fiteny izay rehefa feno 16, 17, 18 taona ireo zatovo notaizan’ny lalana. Efa lasa bebe feo, nikotrana sy nakanaka, efa misy vatana tsara, ary eo amin’ilay taona tia manohitra sy be loha, amin’ilay te hanandrakandran-doza. Eo ilay avy mpangataka sy mpanary fako fony fahazaza no mivadika ho jiolahy miaraka amin’ny antsy sy sabatra amin’izay. Mahafantatra tsara ny zava-drehetra eo amin’ny tanàna, mahafantatra ny “mouvement”  no sady efa ampy “ransa” (renseignement), hoy ny fomba firesaka izay. Mpanendaka amin’ny fotoana rehetra izy ireo, ary efa manomboka sahy mandratra olona amin’izay. Indrisy fa maro no tsy nahazo kara-panondrom-pirenena akory dia efa voasambotra ary alefa any am-ponja.

Jiolahy manara-penitra

Dila ny 20 taona, tonga dia efa jiolahy ampy traikefa no misy, ary raha tsy tratra dia manohy ny asa ratsy foana. Ato dia misy sokajiny amin’izay raha ny fanadihadiana natao. Ao ny mbola tsy mahafoy ny sinto-mahery sy harom-paosy eny an-dalambe, eny an-tsena, any anaty taksibe, any anaty fivoriana na lanonana. Misy ny miditra amin’ny vaky trano, ao koa ireo manan-talenta manokana amin’ny halatra fiara, moto .Ireo izay tena sahy sy be mokon-doha ary te hanankarena tampoka miroboka any amin’ny resaka “kidnapping” na fakana an-keriny. Ny mila zavatra hafa mihitsy dia lasa manao dahalo tsotra izao. Fitaovana fampiasan’ny jiolahy ny antsy, vy maranitra, bois rond misy fantsika, antsy be na antsy lava, big boss, basy poleta, basy mahery vaika (kalachnikov, fusil a pompe…). Tena manara-baovao ihany koa ny jiolahy ary efa mianatra mifehy ny teknolojia avo lentan’ny serasera. Manampy azy ireo ihany koa ny fijerena horonantsarimihetsika vahiny sasany mitantara fanafihana, fandrobana, halatra, ady…

Fehiny

Tsy maintsy vahana any ifotony ny olana, ka mila ezaka goavana ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy fa tsy avela hirenireny izy. Ezaka goavana tsy maintsy hifanampian’ny fanjakana, sehatra tsy miankina, mpiara-miombon’antoka ary ireo ray aman-dreny io. Mila toerana manana fahaiza-manao manokana hitaiza ireo tanora efa nania ka hiezaka hamerina azy ireo ao anaty fiarahamonina fa tsy hoe rehefa vita ny sazy any am-ponja ka mivoaka dia miverina amin’ny ratsy fanao indray. Ny mpitandro filaminana moa tsy maintsy manao ny asany, tahaka izany koa ny fitsarana saingy goavana ny asa fitaizana sy fanabeazana ny olom-pirenena tsy maintsy atao raha tiana hilamina ny fiarahamonina fa ho raharaha raha izay ankizy mpangataka rehetra no lasa jiolahy raindahiny any aoriana, ary hanatevin-daharana ireo tsy manaiky fehezin’ny lalàna. Tsy hisy firenena handroso amin’izany mihitsy fa dia ny ratsy no hanjaka ary haka faka amin’ny sehatra rehetra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT