Anisan’ny lahadinika nodinihana sady nanapahan-kevitra nandritry ny filankevitry ny minisitra notanterahana omaly ny olan’ny faritra atsimon’ny nosy.
Nametraka sy namariparitra ireo lamina sy ny tetikasa matipaika hoentina hametrahana vahaolana maharitra ny filoham-pirenena hoentina manaisotra tanteraka ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hain-tany any Atsimo. Tetikasa azo refesina sy misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina no hoentina sy hotanterahana any Atsimo ary ireo minisitra misahana ny sosialy rehetra, indrindra ny fahasalamana, ny fampianarana, ny rano, ny fambolena sy fiompiana, ny serasera ary ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina no anisan’ny voakasika manokana sy manatanteraka izany ao anatin’ny fotoana fohy mba hisorohana ny voka-dratsy ateraky ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hain-tany. Tsara homarihina fa distrika miisa 6 any atsimon’ny nosy no iharan’ny tsy fahampian-drano sy tsy fahampian-tsakafo dia Amboasary Atsimo, Ambovombe, Bekily, Betioky, Ampanihy ary Tsihombe
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.