Dossier

Ofisy Malagasin` Akoranafo Tratra ny vidin-tsolika tena izy


  • Zoma 15 Febroary 2019

Miankina amin`ny vidin`ny barila any ivelany sy ny sandan`ny vola dolara ny vidin-tsolika eto Madagasikara.

 

Eo ihany koa anefa ny politikam-panjakana sy ny fifanarahana amin`ireo mpandraharaha ara-tsolika izay mety mampiova ny saran`ny solika. Nanambara ny teo anivon`ny Ofisy Malagasin` Akoranafo (OMH) fa tsy nampihatra ny vidin-tsolika tena izy mihitsy Madagasikara hatramin’ny taona 2018. Nisy hatrany ny elanelana tamin’ny vidin-tsolika tena izy sy ny vidy amarotana azy eny amin’ny toby mpaninjara solika. Tamin’ny volana Janoary 2019 teo aza dia mbola nisy elanelany 300 Ariary izany. Tratra anefa ny vidiny tena izy (verité de prix) tamin’ity volana febroary ity araka ny tatitry ny Tale Jeneralin’ny OMH, Laurent Rajaonarivelo nandritra ny herinandron’akoran’afo natomboka tamin’ny alarobia lasa teo tetsy Ampandrinomby. Nisy ihany koa moa ny famoahana ny laharan’i Madagasikara ny amin’ny saran’ny solika ampiharina. Tamin’izany no nilazana fa tsy lafo velively ny vidin’ny solika eto amin’ny firenena raha oharina amin’ny any ivelany: ao amin’ny firenena  anatin’ny Oseana Indiana dia ny vidin-tsolik’i Madagasikara no mora indrindra. Mitana ny laharana faha 14 kosa izy raha aty Afrika ary faha 78 maneran-tany. Na izany aza dia nilaza izy ireo fa mila miverina miresaka ny fanjakana sy ny mpandraharahan’ny solika handinihana hatrany ny marimaritra iraisana ny amin’io vidin-tsolika io izay hiompanan’ny vidim-piainana eto amin’ny firenena. Efa nisy ihany izany saingy tsy tanteraka izany noho ny fisian’ny fifidianana lasa teo.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT