Resaka fitanilana sy ny fanaovana ampihimamba ny volam-bahoaka no tena fositra eto, ary tsy voatery hitambezo volabe amina tapitrisa dolara any amin’ny vahiny vao afaka hahavaha ny olana sy ny fitakiana samihafa,
toy ny an’ny mpampianatra, izay tsianjery maimbon’ny mpitondra ny hoe efa nanompanana 155 miliara ariary. Fahaiza-mitantana sy fangaraharana, ary indrindra finiavana politika no tsy misy eto satria rehefa dinihina dia any amin’ny olona tsy mamokatra sy any amin’ny zavatra tsy misy dikany no handaniana vola, ary anisan’ny tompondaka ireo andrim-panjakana sy minisitera samihafa. Ny depiote sy ny loholona, ohatra, dia ao anaty andrim-panjakana tokony hanery sy hanara-maso ny governemanta amin’ny famahana olam-bahoaka sy ny fanatanterahana ny tena fampandrosoana, saingy mpananga-tanana sy mpanao kolikoly no azo hanasokajiana azy amin’izao, ary fototry ny korontana eto amin’ny firenena aza raha jerena tamin’ny firaisana tsikombakomba tamin’ny governemanta tamin’ny fandaniana ny lalàm-pifidianana. Volabe anefa no lanin’ireo, izay tsy misy mangarahara ny momba izany. Raha handray ohatra iray isika, dia malaza amin’izao ilay filoha Croaty izay vehivavy. Namidiny ny fiaramanidina nampiasain’ny filoha teo aloha sy ny fiara Mercedes 35 isa nampiasain'ireo minisitra sy ny mpiasam-panjakana ambony, dia naveriny tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana, nolaviny marindrano ny fanomezana ny tsy miankina ireo orinasam-panjakana sokajiana ho stratejika. Nahenany 60% ny fandaniana sy ny karaman'ireo masoivoho. Nampitomboiny ny karama farany ambany any tsy miankina. Nofoanany ny fisotroandrononon’ireo loholona sy ireo tao anatin’ny kongresy,… Mbola nofinofy eto amintsika ny toy izany, ary mety ho ady tsy vita !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.