Dossier

Mpitsoa-ponenana Olona 20 isaky ny minitra no mandao ny fireneny


  • Alarobia 20 Jona 2018

Ny 20 jona no andro iraisam-pirenena ho an`ny Mpitsoa-ponenana, izay mifandray amin'ny fanekena ny Fifanarahana 1951 mifandraika amin'ny sata misy azy ireo.

Isan-taona nanomboka ny taona 2001, ny Biraon'ny Komisionina Ambonin'ny Firenena Mikambana ho an'ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) dia mikasa ny hanaitra ny sain'ny olombelona maneran-tany amin`ny hetsika fanentanana isan-karazany. Fotoana kosa izao ho an`ny Firenena mikambana maneho firaisankina amin`ireo mpitsoa-ponenana indrindra amin`izao fotoana izao izay manery fianakaviana an`arivony handositra ny fonenana. Araka izany, anio no hankalazaina any Paris Frantsa ity andro ho mpitsoa-ponenana ity. Tsiahivina fa ny taona 2015 no tena nahitana ny taham-mpitsoa-ponenana ambony indrindra izay nahatratra 65.3 tapitrisa ny olona no voatery nandositra ny toeram-ponenany noho ny ady nisy teo amin`ny firenena misy azy na koa fanenjehana. 40 tapitrisa mahery no nafindra toerana ary 21.3 tapitrisa no mpitsoa-ponenana, izany hoe, nandositra ny fireneny izy ireo. Ny ady na ny fanenjehana dia manery olona 20 isaky ny minitra handao ny fananany sy ny fireneny. Tamin`ny taon-dasa, mpitsoa-ponenana miisa 1.19 tapitrisa, anisan'izany ny Siriana maro, izay tsy afaka mijanona ao amin'ny firenena mampiantrano azy noho ny antony ara-piarovana na tsy fahampian'ny toerana, dia tsy maintsy haverina any amin'ny misy azy. Io salan`isa io dia manondro ny fipoahana ilaina amin'ny 72% eo anelanelan'ny 2014 sy 2017, hoy ny Vaomiera Ambonin'ny Firenena Mikambana ho an'ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR). Ity firoboroboana goavana ity dia vokatry ny fifandonana Siriana izay nanery olona an-tapitrisany hiala ny tanindrazany. Raha zohina, sambatra I Madagasikara fa mbola tany milamina saingy miady amin`ny fiainana ny Malagasy noho ny krizy politika izay tsy mety voavaha hatramin`izao.

 

Marigny A.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT