Dossier

Mpitondra eto Madagasikara Tokony ho modely amin’ny fitsitsiana


  • Alatsinainy 23 Jolay 2018

Iaraha-mahita ny fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena. Manoloana izany anefa dia mibaribary ihany koa ary hitan’ny maro ny filibana fandaniam-bola ataon’ny fitondrana.

Misy ny vola saingy hita taratra ny lesoka ao amin’ny fifehezana ny fandaniana. Tia sehoseho ary mpandany vola amin-tsy ahoana ny ankamaroan’ny tompon’andraikitra. Maika ery amin’ny fanokanana sy ny fivoriana ary ny atrikasa etsy sy eroa kanefa mody milaza ho tsy manam-bola hatrany. Amin’ireny fandehanana mankany ivelany ireny aza moa dia misy ny fitsitsiana azo hampiarina. Azo ahena ny delegasiona mandeha manatrika fivoriana any saingy efa fahazarana ilay mandeha maromaro hatrany ary midangana foana ny vola aloa noho ny saran-dalana sy ny fandaniana atao any. Tsy lazaina intsony ireny fiara ampiasain’ny tompon’andraikitra ambony maro eto amin’ny firenena ireny izay tena mitroka solika be. Azo atao anefa ny fampiasana fiara tsotra tsy mihinan-dasantsy mba ho fitsinjovana ny vahoaka saingy noho ny fisehosehoana eo amin’ny mpitondra dia tsy maintsy mitaingina ireny fiara lafo vidy sady mandany be ireny ry zareo. Ohatra amin’izany koa ny fivorian’ny depiote izay mihoapampana hatrany ny famoaham-bola tahaka ny hita tamin’ireny fandaniana ny lalàna nitarazoka ela ireny. Eo anatrehan’izany rehetra izany, ny fahasahiranan’ny Malagasy efa iaraha-mahalala fa mitombo isan’andro, ny mpitondra anefa sady tsy mahay mitantana no tsy manana politikan’ny fihafiana sy fitsitsiana mihitsy.

 

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT