Dossier

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan'Antanifotsy ireo mpandraharaha eo amin'ny

 

 

sehatry ny fikarohana sy fitrandrahana harena ankibon'ny tany sy solitany mivondrona ao amin'ny Antenimieran’ny Harena ankibon’ny tany (Chambre des Mines de Madagascar) sy ny APPAM ( Association Professionnelle du secteur Pétrolier Amont de Madagascar) tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Hetsika teo ambany fiahian'ny minisitry ny harena ankibon'ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo Ravokatra, notronin'ny mpiara-miasa aminy. Voalohany no nisy fiaraha-mientana niarahan'ny minisitera sy ny APPAM ary ny Chambre des Mines de Madagascar amin'ny hetsika toy izao. Zava-dehibe ary irariana ny hitohizan'ny firaisam-po sy firaisan-tsaina tahaka izao ho an'ny fampandrosoana ny firenena sy hahatafavoaka ity sehatry ny harena ankibon'ny tany izay andrandrain'ny maro, hoy ny minisitra. Amin’izao fotoana izao dia  44%-n’ny ala eto Madagasikara no nanjavona tao anatin'ny 60 taona. Nanambara Ramatoa Princia Ratrimo Andriantsiferana, filohan'ny APPAM tamin'ny lahateniny fa manana adidy ny rehetra hamerina ny hakanton'ny zavaboary Malagasy. Tsy mijanona eo amin'ny lafiny tontolo iainana fotsiny ihany fa antoky ny fivoarana ara-toekarena sy ara-tsosialy holovain'ny taranaka faramandimby mihitsy ny hetsika toy izao. Tetsy an-daniny dia nanambara ny filohan'ny Chambre des Mines de Madagascar, Andriamatoa Jean Luc Marquetoux fa endriky ny fahavononana iombonana ho amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ho lovain-jafy ity fiaraha-mientana tamin’ny fambolena hazo ity. Sarobidy ny fiarovana ny tontolo iainana ary miombona amin'ny ezaka ataon'ny fanjakana ireo mpiantsehatra amin'ny fikarohana sy fitrandrahana harena ankibon'ny tany sy solitany ho amin'izay fiarovana ny tontolo iainana ihany izay, hoy hatrany ny tenany. Zanakazo acacia sy kesika 1400 fototra no novolena tamin'ny velaran-tany 2 ha niaraka tamin'ireo mponina teny an-toerana no nanatanterahana izany. Izy ireo rahateo no miantoka ny fanaraha-maso ireo zanakazo novolena. Teny filamatra ho an'ity hetsika natao ity ny hoe « Fambolen-kazo fototry ny fiadiana amin'ny fiovaovan'ny toetrandro sy fiarovana ny tontolo iainana ary ho fitsinjovana ny taranaka ».

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT