Raha tsy dia be mpahalala loatra tao Moramanga teo aloha ny seha-pihariana trondro ao sy ny manodidina azy dia efa mahasarika tantsaha maro izany ankehitriny,
hoy ny avy eo anivon’ny orinasam-pitrandrahana nikela sy kaobalita ao an-toerana, Ambatovy, noho ny fanampiana nataon’izy ireo. Nanolotra zana-trondro miisa 1900 mahery ho an’ny toeram-piofanana miisa 11 tantanana fikambanana tantsaha maro ao an-toerana izy ireo. Ankoatr’izay moa dia nomena fampiofanana momba ny fahasalamana sy ny aroloza koa ireo mpiasa eo anivon’ity orinasa ity. Tafiditra ao anatin’ireo tombontsoa entin’Ambatovy ho an’ny toekarena malagasy ny fizarana fahaiza-manao sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny fifanarahana fifampivarotana ataony amin’ny orinasa madinika sy salantsalany eto an-toerana ary antony nanomezana io fiofanana io koa ho ana orinasa miisa 7 misahana asa vaventy sy fotodrafitrasa ao an-toerana vao tsy ela izay, hoy ny fanazavana, ankoatra izay vao notolorana izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.