Dossier

Mpikaroka maneran-tany momba ny tontolo iainana Hihaona eto Madagasikara mandritry ny 4 andro


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Hiditra amin’ny andiany faha-56 ankehitriny ny kaongresy iraisam-pirenena goavana indrindra eto ambonin’ny tany momba ny tontolo iainana na ATBC.

Araka ny fanazavana tetsy amin’ny oniversiten’Antananarivo, eny Ankatso, dia in-droa ao anatin’ny taonjato 1 ihany no mety hiverenan’ity kaongresy siantifika ity ao amin’ny firenena iray. Voninahitra ho an’i Madagasikara noho izany ny fandraisana ny ATBC 2019 mandritry ny 4 andro ny 31 jolay hatramin’ny 3 aogositra izao etsy amin’ny CCI Ivato. Firenena 55 manerana ireo kaontinanta 5 no handray anjara ary ny Malagasy, araka izany, no manana solontena betsaka indrindra satria dia 319 isa ireo siantifika Malagasy hizara ny voka-pikarohany hanatsarana ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana ary ireo voahary ao aminy. Ihany Brezilianina miisa 55, sinoa 23 ary frantsay 23 ihany koa ankoatr’ireo tsy voatanisa. Eo ny fifampizarana voka-pikarohana eo amin’ireo olona an’arivony mandray anjara fa hisy koa ny fampirantian’ireo rafitra momba ny tontolo iainana iraisam-pirenena sy atrikasa mifandraika amin’izany satria fotoana hahafahana mampiroborobo ny fizahantany koa io. Notsiahivina fa 0,4% amin’izao tontolo izao no velarantanin’i Madagasikara kanefa ny 5%-n’ny harena eto ambonin’ny tany dia eto daholo ary tsy hita manerana izao tontolo izao ny 95%.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT