Manaitra ny fitondram-panjakana ny fiarahamonim-pirenena amin`ny tsy tokony hisian’ny fanavakavahana na iza na iza amin`ny famotorana rehetra atao eny anivon`ireny rafi-pitsarana samihafa ireny.
Manao antso avo amin`ny fanjakana ihany koa ny fiarahamonim-pirenena amin`ny tambin-karama azon`ireo tompon’andraikitra eo anivon`ny Fitsarana Ambony (Haute Cour de Justice), izay ahitana mpikambana tompon-toerana 11 araka ny tondroin’ny andininy faha-136 ao amin’ny lalàmpanorenana. Araka ny nambaran`i Ony Radera, sekretara jeneralin`ny OSCEC, mihoatra ny 20 000 000 Ariary isam-bolana ny karama raisin’ny olona iray ao amin’ny Fitsarana Ambony (HCJ). Ekena fa asa tsy mora izany hoe hitsara manampahefana ambony toa ny filoham-pirenena, praiminisitra sy minisitra…saingy mampieritreritra ihany io tarehimarika io. Ary moa ve azo antoka 100% fa hahavita an-tsakany sy an-davany ny asany ireo mpitsara ao amin’ny HCJ ireo, ka hitsara araka ny lalàna marina. Ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR 2019) no hamaritana izay asa ataon`ny fanjakana. Tsy miteny fotsiny ny fanjakana hoe hiady amin`ny kolikoly fa tsy maintsy hita ao anatin`ny LFR 2019, hoy ity sekretara jeneralin`ny OSCEC ity. Antony hanaovana tatitra voalohany, milaza ny zavatra hitany tamin`ny ady amin`ny kolikoly amin`ny LFR 2019, hoy hatrany i Ony Radera. Inona tokoa no vitany ny HCJ hatreto ? Ny Sefafi moa dia efa nilaza fa tsara foanana ny fitsarana ambony, hoy indrindra ny nambarany : “Momba ny resaka mikasika ny fanitsiana ny lalàmpanorenana, rariny loatra sady mifanaraka tsara amin’ny demokrasia raha foanana tsotra fotsiny izao ny HCJ. Amin’izay fotoana izay, hitovy lenta amin’ny olom-pirenena tsotra ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena… ary izay no tena rariny !”
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.