Mandainga sady manely tsaho ny kaompania Vidzar hoy ireo mpiasa eo anivon’ny Orinasa SIRAMA nandritra ny atrikasa nataon’izy ireo tany Brickaville. Nilaza mantsy ny teo anivon’ny Kaompania fa mandeha araka ny tokony ho izy ny orinasa SIRAMA.
Nanasa ny fokonolona, ny tangalamena, ny solotenan’ny mpanjaka ary ireo ben’ny tanàna mandrafitra ny distrikan’ny Brickaville mihitsy ny mpiasa nanaporofo fa tsy misy na inona na inona mandeha amin’izay laoniny ao amin’ny orinasa. Lazaina hoy izy ireo fa ny mpiasa indray no manakana ny tsy handehanan’ny orinasa kanefa na ny fitaovana ho ampiasaina ao aza tsy misy. Manginy fotsiny ny karaman’izy ireo tsy voaloan’ny Kaompania Vidzar izay mahatonga ny fangatahan’izy ireo hatrany ny hanadafetana fifanaraham-piaraha-miasa vaovao amin’ny mpiara-miombon’antoka hafa hahafahana manodina indray ny orinasa. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana hatrany moa izy ireo hanao ny fanadihadiana rehetra eny ifotony.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.