Nanatanteraka fihetsiketsehana ny mpiasan’ny SIRAMA Brickaville nanomboka ny 11 desambra lasa teo.
Tsiahivina fa efa nanomboka ny 9 jona 2018 ity tolona ataon’ny mpiasa ity ary mitohy tsy mety milamina hatramin’izao. Antony ny tsy faneken’izy ireo hiara-kiasa amin’ny mpiara-miombon’antoka Compagnie Vidzar noho ny tsy fahombiazana amin’ny fanarenana ny orinasa SIRAMA. Nanambara izy ireo fa tsy fantatra mazava mihitsy ny fifamatorana sy ny fifanekena natao ny amin’ny sosialin’ny mpiasa ary hita ho manao tsinontsinona mihitsy ny Compagnie Vidzar. Etsy an-daniny dia enim-bolana ihany ny orinasa SASM (Société Agricole Sucrière Malagasy), izay teraka tamin’ny fiaraha-miombon’antoky ny VIDZAR sy SIRAMA, no nandoa ny karaman’ny mpiasa nandritra ny 3 taona. Ny mpiasa anefa manao ny asa ary tena mandray ny fibaikoana avy amin’ny SASM. Olana ihany koa ny fandraisan’io orinasa io ny mpiasa satria ampahany ihany no raisiny ary tsy maintsy mametra-pialana ao amin’ny SIRAMA ankoatr’izay. Tofoka tanteraka ireto mpiasa mitolona ireo ary nilaza mihitsy fa fanapotehana no atao fa tsy fanarenana. Manginy fotsiny, hoy izy ireo ny tsy fandrosoan’ny asa atao noho ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny fampiasam-bola ka lasa mampiraviravy tanana sy mampanary fotoana ny mpiasa. Mangataka ny fidinana ifotony ny mpitantana, ny filankevi-pitantanana, ny minisitra mpiahy izy ireo ary mitaky ny hanapahana ny fiaraha-miasa amin’ny kaomania Vidzar. Ankoatr’izay dia mangataka ny hisian’ny tolo-bidy (appel d’offre) mangarahara ialana amin’ny kolikoly satria lainga sy fitaka hatrany, hoy izy ireo ny tatitra hoentin’ny Kaompania VIDZAR any amin’ny fitondram-panjakana. Tokony hojerena akaiky ity raharaha ity satria asa fivelomana maro no voasaringotra ary misy fiantraikany goavana amin’ny toekarena any an-toerana ny fihodinan’ny orinasa SIRAMA.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.