Tamin’ny sabotsy 7 jolay farany teo no nanao atrikasa nasionaly hanavaozana ny didim-pitondran’ny mari-pahaizana LMD ho lasa didim-panjakana ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny minisiteran’ny asam-panjakana.
Fantatra fa io rafi-pampianarana io avokoa ankehitriny no ampiasain’ny oniversite matanjaka maneran-tany kanefa olana eto Madagasikara ny fitadiavan’asa, indrindra ny amin’ny fanjakana amin’ny io mari-pahaizana LMD io. Ny diplaoma « Maitrise » ihany no be mpitady amin’ny sehatry ny asa kanefa efa nanomboka ny taona 2011 no nizarana ny LMD. Maro noho izany ireo sahirana amin’ny fitadiavana asa amin’ireo manana ny mari-pahaizana amin’io rafitra io satria tsy omen’ny orinasam-panjakana eto Madagasikara lanja noho izy mbola faritan’ny didim-pitondrana fotsiny. Tombony kosa anefa ny fanampiana ny mpianatra Malagasy amin’ny fanohizana ny fianarana any ivelany amin’ny fampiharana io rafi-pampianarana io ka tsy voatery mamerin-taona tahaka ny teo aloha intsony izay manana LMD. Iaraha-mahalala anefa fa vitsy ny mpianatra Malagasy no mba afaka mianatra any ivelany izany ka izay no antony hamadihana ho didim-panjakana ny didim-pitondrana mamaritra ny LMD. Andrasana indray noho izany ny vokatr’ity atrikasa ity mba ho tombony amin’ireo sahirana amin’ny fitadiavan’asa kanefa manana io mari-pahaizana io. Iaraha-mahalala mantsy fa miteraka akony tsara amin’ny toekarena hatrany ny fihenan’ny tanora manampahaizana tsy manan’asa eto amin’ny firenena.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.