Omaly zoma 14 septambra ny fisokafan’ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana ho fampivoaran’ny mpandraharaha misehatra amin’ny famokarana izay karakarain’ny filankevitry ny fampandrosoana ara-toekarena (EDBM) sy ny groupe Axian.
Tetsy amin’ny tsenabe iraisam-pirenena ara-pamokarana andiany faharoa Tanjombato no nampahafantarina ny andinindininy. Nanambara ny teo anivon’ny EDBM fa fampiroboroboana hatrany ny fampiasam-bolan’ny mpandraharaha sy ireo tompona orinasa madinika eto Madagasikara no iantsorohan’izy ireo. Amin’ity fifaninanana ity dia ampirisihina ny mpandraharaha misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana hitondra tolotra vaovao izay miompana indrindra amin’ny fikirakirana ireny teknolojia avo lenta ireny. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy fifanampiana amin’ny sehatra tsy miankina ampifandraisana amin’ny teknolojia. Tetsy an-daniny, nanambara ny tompon’andraikitra misahana ny fandraharahana eo anivon’ny groupe Axian, Ramatoa Carole Rakotondrainibe fa hanampy tosika sy hitady vahaolana ho an’ireo mpandraharaha amin’ny asa ataony izy ireo mba ho tena matihanina ny mpamboly sy ny mpiompy. Aorian’ny fisoratana anarana izay nanomboka omaly dia afaka tapa-bolana eo no hovelabelarin’ny mpifaninanana izay voaantso ny tetikasany. Tombony be ho an’izay lany eo satria dia hisy ny fampiroboroboana sy fanampiana ny tetikasa miompana amin’ny fanatsarana ny famokarana ka ny EDBM sy ny groupe Axian no tompon’antoka.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.