Henjana ny sazy miandry amin’ny aferana hazo sarobidy eto amintsika, raha ny lalàna 2015-056 no arahina an-tsakany sy an-davany. Ireo rehetra tratra eo am-panapahana na saika hanapaka boaderozy na “bois d’ébène”,
dia sazian’ny lalàna hanao asa an-terivozina 10 taona miampy lamandy 50 hatramin’ny 100 tapitrisa ariary. Ny rehetra mitrandraka na mikendry ny hanao izany, ny mitatitra tsy ara-dalàna na an-tanety na an-dranomamy na an-dranomasina na ana hakakabaka, ny ahatrarana tahiry tsy ara-dalàna, ny mividy na mivarotra,… dia gadra 6 volana hatramin’ny 2 taona arahina lamandy 1 tapitrisa hatramin’ny 5 tapitrisa ariary na koa gadra 2 hatramin’ny 5 taona miampy lamandy 10 tapitrisa hatramin’ny 40 tapitrisa, indrindra ho an’ireo mbola niezaka namafa sy namotika ny porofo fa nisy ny heloka, ary tahaka izany ihany koa ho an’ireo niketrika ara-pitaovana nenti-nanatanteraka ny fandikan-dalàna,… Raha amin’ny anaran’ny olona ambony na mpitondra na solontenany no voamarina fa anisan’ny nikotrika ny afera maloto, dia 100 tapitrisa hatramin’ny 500 tapitrisa ariary ny onitra, ankoatra ny mety ho fidirana am-ponja an-taonany maro. Ireo rehetra tratra manondrana an-tsokosoko, manelanelana mivantana na an-kolaka mba hahafahan’ny trafika mandeha na inona na inona andraikiny, ary indrindra ny mpaniraka sy ireo mahazo tombontsoa, ny mpiray tsikombakomba, ny mpitarika ireo andian’olona mitatitra azy ho eny amin’ny fitatarena an-dranomasina,… dia tsy afa-maina raha ny voalazan’io lalàna 2015-056 io. Tamin’ny 2015 ny lalàna no tafapetraka, noheverina fa natao tena hanenjehana ny mpanondrana tsy ara-dalàna hazo sarobidy, izay efa tany amin’ny 2009 no tena nanjaka io. Nalaza hatramin’ny hoe 3000 kaontenera ny andramena navoaka teto raha kely indrindra. Niraraka ny sazin’ny sampandraharaha iraisam-pirenena manara-maso sy miaro ny biby na zava-manan’aina ahiana ho lany tamingana (CITES), fa tsy hita aloha izay tena fanenjehana sy fahatrarana ny tompon’antoka. Ny bolabolana andramena 30.000 tratra tany Singapour ny taona 2014 aza samihafa ny nambaran’ny minisitra nifanesy. Atoa Anthelme Ramparany nilaza fa ara-dalàna izany, ny minisitra taty aoriany Ndaimananjara Johanita nilaza fa tsy ara-dalàna,… dia toa vitavita ho azy teny. Tsy vitan’ny olona roa sy telo monja nalefa any am-ponja toy ny misy ankehitriny io, raha tena mihatra tokoa ny lalàna fa mety mila fonja manokana mihitsy no hasiana ny mpanondrana andramena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.