Dossier

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Nifarana omaly ny atrikasa fanavaozana ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

 

 Naharitra 2 andro ary notanterahina tetsy amin’ny Hotely Le Pavé Antaninarenina izany. Noho ny fahasarotan’ny lalàna mahakasika ny fampiasam-bolam-panjakana dia nanapa-kevitra ny teo anivon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola hanavao ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana. Tanjona ny hanamarona ny fifehezan’ireo mpampiasa ny volam-panjakana ary tompon’antoka nifandrimbona tamin’ity atrikasa ity ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola ary ireo fiarahamonim-pirenena. Anisan’izany ny Vondrona Eoropeanina izay manohana amin’ny alalan’ilay tetikasa “Ny Fanjakana ho an’ny Daholobe” (NFD). Natao ihany koa ity atrikasa ity hanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana. Ohatra ny fanavaozana ny paikady amin’ny fampiasana ny volam-panjakana eny anivon’ny Vondrom-Bahoaka Itsinjaram-Pahefana.  Nivalamparana ny adihevitra tamin’io ary tena nahaliana ireo mpara-miombon’antoka izay nilaza fa vonona hanampy amin’ny fanamorana izany. Anisan’ny noresahana tao ihany koa ny tokony hanovàna ireo lalàna sasantsasany amin’ny fampiasam-bolam-panjakana tahaka ny lalàn’ny fikirakirana ny kaonty ara-panjakana (comptabilité publique), ireo lalàna amin’ny fampidiram-bola vokatry ny hofanovana ny lalàn’ny harena ankibon’ny tany mba tsy hanahirana ny fanangonana ny vola miditra. Nasongadina  tao ihany koa ny tokony hanavaozana tanteraka ny lalàna mifehy ny tsenam-baro-panjakana izay manahirana sy sarotra  amin’ny olona amin’izao. Voalaza mantsy fa ny lalàn’ny tsenam-baro-panjakana misy eto Madagasikara ankehitriny dia tsy afaka miaraka amin’ny lalàn’ny fampiasam-bola iraisam-pirenena. Tokony hovaina ny lalàna mba hahafahana mampiasa ny vola iraisam-pirenena. Ho fanavaozana ho fanamorana sy ho fifehezana izany rehetra izany no tanjon’ny atrikasa omaly.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT