Ny taona 2018 teo dia nahazo vola 2 500 tapitrisa ariary tamin’ny orinasa Ambatovy ny kaominina Morarano Gara ary miampy isan-taona io hatramin’ny 2040. T
sy an’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra kaominaly na ny ben’ny tanàna sy ny lefiny izany volabe izany fa samy tompony isika rehetra mponina manerana ny kaominina, hoy Razafison Rivonala, kandidà mpanolotsaina tohanan`ny antoko Tia Tanindrazana, izay mitondra ny lah. faha-4. Nohamafisiny fa tena ilaina ny fananana fotodrafitrasa vaovao. Tsy tena fampandrosoana anefa no misy raha toa ka miaina anaty tebiteby lava noho ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo isika, tsy mivoatra ny fidirambola isan-tokantrano, tsy afaka miala voly tahaka ny hafa isika ary mizaka ny voka-dratsin’ny faharavan’ny tontolo iainana isika. Tsy maintsy jerena miaraka ny fampandrosoana eny anivon’ny kaominina amin’ny lafiny fihariana, fiarahamonina, kolontsaina ary ny tontolo iainana araka ny and. faha-149 ao amin`ny lalàmpanorenana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.