Dossier

Modely fampandrosoana ny toekarena Arakaraky ny zava-misy amin’ny firenena


  • Alatsinainy 25 Jona 2018

Matetika ny mpitondra aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana mihevitra mandrakariva fa ny modely ara-toekarena (modèle économique) any amin’ny firenena tandrefana no tsara alaina tahaka.

Mazàna anefa izy ireny no tsy mifanaraka amin’ny toe-draharaha misy marina sy ny vinam-pampandrosoana afaka hotanterahina amin’ilay firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara. Araka izany dia miteraka tsy fahombiazana izany satria teren-ko masaka tahaka ny voalobo-jaza fotsiny kanefa tsy mety amin’ilay firenena akory. Ny valim-pikarohana nataona mpandalina toekarena iray no naneho fa ny fahaizana mitrandraka ny harena rehetra misy ara-tsaina (capital humain), an-kibon’ny tany, an-dranomasina, sns eo amin’ilay firenena ihany no hampandroso azy. Nisy ny vina « fisandratana 2030 » izay sarotra tamin’ny Malagasy ny nanakatra sy nahazo azy. Taorina kelin’izay ihany koa ny nipotran’ny vina Initiative Emergence Madagascar izay nampahafantarina voalohany tsy teto Madagasikara fa tany amin’ny firenena hafa. Mampanahy hatrany ny fahombiazan’ireny ary mampieritreritra hoe sao dia mba entina hanaovana propagandy mialohan’ny fotoana indray ireny modely efa tsara lahatra  ireny ? Araka izany dia mila mamakafaka tsara ny Malagasy mba tsy ho rebireben’ny mpanao politika amin’izay mety vina nataom-bazaha tany ho any kanefa mety hamotika hatrany ny firenena. Ny fahaiza-mifehy ny haren’ny tena ary ny famadihana izany ho tombotsoan’ny firenena manontolo ihany no miteraka fampandrosoana.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT