Dossier

Ministeran’ny Indostria Maro ny asa vita tao anatin’ny iray volana Taorian’ny nahavitan’ny fifamindram-pahefana ny 14 jona 2018 dia niroso avy hatrany amin’ny asa sy fandaminana anatiny ny ministeran’ny indostria sy ny fampiroboroboana ny


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Taorian’ny nahavitan’ny fifamindram-pahefana ny 14 jona 2018 dia niroso avy hatrany amin’ny asa sy fandaminana anatiny ny ministeran’ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ny minisitra Guy Rivo Randrianarisoa.



  Tafapetraka tao anaty fotoana fohy ny kabinetrany. Tsy nokitihiny na novainy kosa anefa ireo mpiasam-panjakana efa niasa tao mba hampidirana « namana » fa ny fitohizana sy fihodinan’ny asa no tarigetrany. Nisy ny fifampiresahana mivantana sy ny fifanakaikezana tamin’ireo mpiara- miasa nampitoviana ny tadin-dokanga amin’ny tanjona tsy maintsy tratrarina sy hanesorana izay mety ahiahy. Ankoatra izay dia efa am-perinasa avokoa amin’izao fotoana izao ireo tale jeneraly vaovao ampiandraiketana ireo sampandraharaha samihafa miankina amin’ny ministera. Tsy niandry ela ny ministra vaovao taorian’ny fanapahana navoakan’ny lehiben’ny governemanta fa avy hatrany dia nanome toromarika hanovana ho takelaka mena (« plaque rouge») avokoa ireo fiaram-panjakana ao amin'ny minisitera. Fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra tsy miankina no fanamby apetraky ny ministera mba ho tena fanoitra ho an’ny fampandrosoana. Tsy nitsahatra nanao fidinana ifotony ny ministra sy ny ekipany. Tao anatin’ny iray volana mahery dia orinasa maro no efa notsidihina. Isan’izany ny orinasa SIRAMA ao Dzamandzar, Nosy Be (zoma 13 jolay) ka nihainoan’ireo tomponandriakitra ao amin’ny inistera ny olana sy fahasahiranan’ireo mpiasa marobe, tsy mandray karama efa antaonany maro. Tany Mahajanga ihany koa ny ekipan’ny ministera nitsidika orinasa maro toy ny “ Ferme Riantsoa » izay miompana amin’ny fiompiana akoho, ny toerana fambolena fary sy hananganana orinasa mpanokatra siramamy ao amin’ny Kaomina ambanivohitra Ambalakida, ny orinasa Pak Foam, manao kidoro vita amin'ny «mousse»… Namangy ny renivohitrin'ny faritra Atsimo Atsinanana, Farafangana, ihany koa ny ministra Guy Rivo Randrianarisoa nankalaza sy nanokatra ny andro iraisampirenena ho an’ ny kaoperativa. Izany dia hamerenana indray ny hasin’ny kaoperativa mba hivondronan’ny mpamokatra hafahan'izy ireo mifehy ny vidin'ny vokatra ka hahitany tombontsoa.Zava-dehibe ihany koa ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra tamin’ireo orinasa afaka haba. RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT