Dossier

Minisitry ny angovo “Tsy maintsy mifanampy ny rehetra hanavotra ny Jirama”


  • Alakamisy 14 Martsa 2019

“Manan-jo higrevy sy haneho hevitra ny mpiasa saingy tsy fotoanany izao. Isika, JIRAMA, Fanjakana, Mpanjija dia tsy maintsy miara-misalahy hahafahana manarina ny orinasam-panjakana JIRAMA,” hoy ny Minisitry ny Rano, ny angovo ary ny Akoran’afo, Andriamanga Vonjy, omaly raha nidina ifotony nitsidika ny masoivohon’ny JIRAMA etsy Soanierana.

 

 Teboka telo no nivoitra nandritra ny fitsidihany. Teboka voalohany, mahakasika ny fandehan'ny asa andavanandro eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Nanamafy ny ministra fa andry lehibe iankinan’ny angovo sy ny rano. Nisy araka izany ny resadresaka nifanaovany tamin’ny mpiasa mikasika ny politika ankapoben’ny orinasa. Ny faharoa noresahin’ny Minisitra dia mikasika ny fitokonan’ny sendikan’ny mpiasa. Efa nisy fihaonana in-droa miantoana hoy izy saingy tsy tonga nanatrika izany foana ny ampahany amin’ireo sendika misy eto anivon’ny orinasa JIRAMA. Mijanona ho mpanelanelana ny disadisa misy hatrany anefa ny minisitera, hoy ny Minisitra. Farany, tsy misy intsony ny delestazy ekonomika. Olana ara-teknika no miteraka fahatapahan-jiro eto Antananarivo fa tsy delestazy vokatry ny tsy fahampian'ny solika intsony satria dia efa nampitomboina ny tahirin-tsolika ampiasain'ny JIRAMA. Mikasika ny any amin’ny faritany, dia efa mametraka fepetra hanafoanana ny delestazy ny minisitera, saingy vonjy maika ihany aloha izany, hoy ny fanazavana. Ny vahaolana maharitra nolazain’ny Minisitry ny Rano, ny angovo ary ny Akoran’afo, Andriamanga Vonjy dia ny fanorenana tobim-pamokarana mandeha amin’ny angovo azo avaozina. Marihana fa hikendry hampitombo ho 50% n` ny tahan` ny fahazoana herinaratra ho an` ny vahoaka Malagasy ny fanjakana amin` ny taona 2024.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT