Dossier

Minisitra lefitry ny tanàna vaovao Ho avy masiaka


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Natokana ao anatin`ny governemanta vaovao am-perinasa ny alakamisy lasa teo ny ministera lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.

 

 Zava-dehibe ny andraikitr`ity ministera lefitra ity. “Teknisianina no apetraka amin`io toerana io, midika izany fa ny lesoka teo aloha harenina,” hoy ny mpanolotsain`ny filoham-pirenena. Laharam-pahamehana roa no mipetraka amin`ny minisitra lefitra, Zasy Michael Angelo, dia ny fanatsarana ny tanàna, indrindra ny renivohitra izay tsy manara-penitra intsony ny fihodinany noho ny fahamaroan`ny mponina tafahoatra. Ny manaraka dia ny fanohizana ny fananganana tanàna vaovao. “Tsy maintsy mametraka ny politika amin`ny fampiroboroboiana tanàna vaovao. Efa tafapetraka ireo toerana stratejika.  Tsy fananana drafi-panajariana no niteraka voka-dratsy amin`ny toeram-ponenana,” hoy hatrany ny fanazavana. Ny sabotsy teo no nanatanterahana ny fifamindram-pahefana ny minisitra miandraikitra izany teo aloha sy ny minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Famindram-pitantanana natrehan`ireo tompon’andraikitry ny IEM eo anivon`ny fiadidian`ny repoblika, ny rantsamangaikan`ny minisitera lefitra misahana ny tanàna vaovao ary ireo sehatra tsy miankina mpiara-miasa.

Tanàna vaovao dimy

Mikasika ny fanitarana ny renivohitra, toerana miisa dimy no hananganana tanàna vaovao.  Misy ireo tanim-panjakana efa tafiditra ao anatin`ny faritra voatondro. Misy lamina entina manatanteraka ny vina mahakasika ny tanàna vaovao. Hisy ihany koa ny  fanadihadiana sokafana amin`ireo toeran-kafa voavinavina fa hananganana izany. Raha misy kosa ny mety amin`ny famindrana ny mponina dia ho laharam-pahamehana hatrany ny fifampiresahna sy ny fifanakalozan-kevitra, hoy i Zasy Angelo. Mahakasika ny Tanà-Masoandro indray dia nilaza izy fa amin`ny maha akaiky an`Ambohitrimanjaka no nanombohana azy. Mbola hisy ny fotoana hifampiresahana amin`ny mponina rahateo, hoy ihany izy..

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT