Dossier

Minisiteran’ny tontolo iainana Nihena ny tahan’ny trafikana hazo sarobidy


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Ny taona 2015 i Madagasikara no voasakajy ho firenena mivarotra ny atao hoe « crédit carbone ».

 

 

 

10 hatramin’ny 15 dolara ny vidin’ny taonina iray eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ireo orinasa ngeza toy ny Air France izay manapotika ny tontolo iainana dia mividy « crédit carbone ». Vola isan-taona io ary mampirisika ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD) mba hiroso amin’ny fambolen-kazo satria azo atao varotra izany « crédit carbone » izany, hoy ny minisitra Georget Alexandre. Mandrapahafaty mantsy dia misy foana io, hoy izy. Taorian’ny COP 25 kosa dia mbola tsy nilamina ny fanapahana farany satria maro ireo tsy nifanarahana tamin’ireo mpandoto sy ireo misedra an’izany. Nahazo fankasitrahana kosa i Madagasikara satria nitaky ny hanampiana ireo firenena misedra famotehana noho ny hasomparana ataon’ireo tany mandroso. Isika rahateo dia mpamokatra « carbone » na dia misy fahapotehana aza ny ala. Ankoatra izay dia nihena 45% ny doro ala eto Madagasikara. Goavana izany na dia mbola betsaka ny ezaka tsy maintsy atao. Ny doro tanety kosa dia nahitana fiakarana noho ny ny tsy fahafehezana ny tavy (agriculture non maitrisée ). Ny atao hoe «  doro tanety » dia misy toerana iray androany may fa avy eo maty. Afaka herinandro anefa  dia may indray. Izany hoe toerana iray mety ho may im-polo mandritra ny herintaona. Manana ny rindrambaiko atao hoe GLAD isika izay mijery ny atao hoe « point feu et surface brulée ». Nanamafy kosa ny minisitra fa nihena ny trafikana andramena sy voamboana. Tsy toy ny taloha satria isika manana mpanao asa tanana sy mpisehtra amin’izany eto Madagasikara. Ny MEDD dia mitaky asa maharitra. Raha manapaka hazo iray dia mamboly folo na roapolo. Mampiasa ny atao hoe « rigueur de gouvernance » ary miady amin’ny kolikoly,  hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT