Omaly alakamisy 19 jolay no nanatanteraka atrikasa ny minisiteran’ny Indostria, ny sehatra tsy miankina ary ireo koperativa mpamokatra.
Ny Tanjona amin’ity fifampidinihana ity dia ny hamolavolana sy hamoahana tetikadim-pirenena ho fampiroboroboana sy fampandrosoana ny koperativa. Eo ihany koa ny fanatsarana ny lalàna .mikasika ny koperativa mba ho tombony hatrany amin’izy ireo. Maro mantsy ny olana sedrain’ny koperativa indrindra ireo any amin’ny tontolo ambanivohitra. Ohatra amin’izany ny tsy fisian’ny tsena lehibe ahafahanan’izy ireo mivarotra ny vokatra. Ambany ary mihena ny vidim-bokatra satria izy samy izy ihany no mifampivarotra. Manampy trotraka ny fanararaotan’ny mpanangom-bokatra azy ireo izay mividy ny vokatra amin’ny sarany ambany dia ambany ary indraindray aza dia tafiditra anaty fatiantoka mihitsy. Eo ihany koa ny tsy fahaizana sy ny tsy fifehezana ara-teknika sy ara-pitantanana misy eo amin’ny koperativa noho ny tsy fisian’ny mpanohana sy ny mpiara-miombon’antoka ka mitarika tsy fandrosoana sy tsy fivoarana eo amin’ny famokarana. Ankoatr’izay dia olana ihany koa ny tsy fahafantaran’izy ireo ny tsena misy, indrindra ho an’ireo lavitra sy mitoka-monina ka tsy ahafahany mamoaka ny vokatra na dia maro aza ny tolotra sy ny tinady. Izany rehetra izany no mahatonga ny minisiteran’ny indostria manao ho laharam-pahamehana amin’izao ny fanodinana ny vokatra eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Ireo koperativa ireo no hotohanana amin’ny alalan’ity atrikasa ity mba hahazo tombony amin’ny famokarana ataony ary hisy akony tsara amin’ny toekarena.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.