Miparitaka amin’izao ny karazana lalao miendrika fitadiavam-bola amin’ny fomba mora eto Antananarivo.
Miendrika fandravizana vola be, dia maro no voasintona satria mikiky karatra vidiana 1000Ar dia mety hahazoana volabe an-tapitrisany maro na fitaovana raitra, toy ny moto, fahitalavitra,…. Roboka ny olona satria mety ho vola mora io, tsy misasatra firy fa mikiky dia mahazo. Amin’ny lafiny iray anefa, mi endrika fanambakana sy fanabadoana ary fitaizana ny sain’ny olona tsy hisahirana fa hiantehitra amin’ny kisendrasendra. Marina fa miendrika kilalao, saingy tena fitadiavam-bola mora fotsiny ho an’ny mpikarakara. Ekena fa mandoa hetra miditra any amin’ny kitapom-bolam-panjakana izy ireny, mampiasa tanora hisintona olona hividy ireo karatra kikisana (Commercial), fa misy fandemen-tsaina sy fitangosana an-kolaka ny volan’ny madinika izay roboka. Tena miparitaka ny karatra voakiky, saingy kely ny vintana ahazoana loka satria fitadiavam-bola amin’ny fomba mora io. Tsy sanatria mialona na manenjika be fahatany ny orinasa mpanao ireny fa miharihary ny endrika fitangosana amin’ny fomba mihaja ny volan’ny olona izay toa tratry ny fandemen-tsaina amin’ny hoe mety hahazo volabe ao anatin’ny tsy fisasarana be akory, kanefa ny tena marina dia ny kely any am-paosinao indray aza no voatango eo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.