Dossier

Masoivoho Malagasy any ivelany Maherin`ny 50 tapitrisa ariary no mampody ny iray


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

Masoivoho 9 sy solontena maharitra ao anatin`ny kaomisionina ara-toekarena Malagasy eo amin`ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa no nampiatoana tamin`ny asany, araka ny didim-panjakana nivoaka tamin`ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 13 febroary lasa teo.

 Na dia nisolotena an’i Madagasikara izy ireo dia ny fanendrena azy ireo dia ara-politika ihany koa. Inona marina no asan’ireo masoivoho ireo tany ivelany ?

Convention de Vienne. Ny mamaritra  an`ireo ambasadaoro sy ireo kaonsily (consul) dia ny “convention de Vienne 1961” amin`ny fifandraisana ara-diplaomatika sy ara-kaonsiliara. Ny ambasadaoro (Ambassadeur pleni-potentiaire) dia misolotena ny firenena izay nanendry azy amin`ny toerana misy azy. Misy koa ambasadaoro afaka misolotena firenena iray amin`ny firenena maromaro fa miankina ny enti-manana amin`ilay firenena. Ohatra, ny masoivoho Malagasy ao Etiopia no misolotena antsika amin`ny firenena maromaro ao Afrika. Misy koa ambasadaoro misolotena antsika any amin`ny iraisam-pirenena toy ny vondrona iraisam-pirenena (ONU), Vondrona Afrikanina (UA). Ny ambasadaoro dia misolotena feno an`i Madagasikara. Manamora ny fifandraisana misy azy amin`ny firenen-kafa. Rehefa misy zavatra hifanarahana amin`ny any ivelany dia tsy maintsy mandalo ao amin`ny ministeran`ny raharaham-bahiny. Izy koa afaka manao ny “officier d`Etat civil” raha toa ka misy Malagasy teraka amin`ireny firenena ireny dia izy no misolotena izany ka afaka manoratra ny fahaterahana na fahafatesana. Ny fampiharana ny “principe d`extra-territorialitè” no tena imasoany, izany hoe ny Malagasy monina any ivelany dia afaka manao ny zavatra rehetra tokony hatao aty Madagasikara. Ny zava-dehibe, izy no miaro ny tombontsoan`ny teratany Malagasy amin`ny toerana misy azy. Ny kaonsily kosa dia misolotena ny tombontsoa voafetra na voafaritra ho an`ireo Malagasy. Betsaka ny fisian`ny Malagasy ao anatin`ilay firenena dia mila arovana manokana ny tombontsoany ka izany no antom-piasin`ny kaonsily any Marseille sy any La Reunion kanefa misy masoivoho ao Parisy.

Fanendrena. Mitovy ny fomba fanendrena azy ireo. Rehefa misy hevitra miainga avy aty amin`ny fanjakana izay hanendry dia tsy maintsy alefa ny “lettre d`accreditation” amin`ny firenena izay hipetrahana ka tsy mantsy ilay filohan`ny Repoblika izay hiasany any no mandray azy na solontena mahefa no mandray ny atao hoe “lettre de creance” izay taratasy manamarika ny iraka hampanaovina azy. Raha toa kosa misy tsy fifanarahana dia afaka manao an`ilay hoe “declaration persona non-grata” ny fanjakana. Araka ny satan`i Geneve dia manana ny atao hoe “immunitè diplomatique” na ny ambasadaro na ny kaonsily saingy ny mpiara-miasa aminy kosa tsy mahazo izany ary tsy mitovy zo izy ireo.

Tsy mitovy ny karama.  Na ny karama na ny zo hisitrahany any na ny fampodiana azy dia ny Fanjakana no miantoka an`izay. Arakaraka ny toerana niasany any Geneve, io firenena farany ambony indrindra ny karama sy zo hisitrahana noho ny fahalafosan`ny fiainana. Arakaraka amin`ny maha mpiasam-panjakana ihany koa ny mari-karama. Raha mpampianatra dia mari-karama mpampianatra no entina any… Marihana fa ny ambasadaoro mifandimby dia tsy voatery mitovy ny karama sy zo sitrahana.

50 tapitrisa Ariary. Ny atao hoe “acte de gouvernement” ny fanendrena sy fanesorana ambasadaro sy kaonsily ka didim-pitondrana mivoaka amin`ny filankevitry ny minisitra no mampihatra izany. Misitraka ny “franchise totale” amin` ny entana nampiasainy tany ivelany, izany hoe na tsy mandalo ladoany ary hiantohan`ny fanjakana avokoa ny hetra rehetra, hatramin`ny saram-podiana na zavatra hafa. Raha ny fanadihadiana natao dia maherin` ny 50 tapitrisa ariary no lanin`ny fanjakana amin`ny fampodiana ambasadaoro iray ary tsy mbola tafiditra amin`izany ny vady aman-janany sy ireo mpiara-miasa aminy. 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT